fokontany Lazaret
Herisetra sy fifandonana tao amin’ny Oniversite Antsiranana, nataon’ny tanora voakarama (?)
Nafana ny fifandonana, May ny trano fatoriana, nisy ny maty ary maro ireo naratra.
Savorovoro tany Antsiranana : Hanao fifanarahana ny mpianatry ny oniversite sy ny mponina ao Lazaret

Nitrangana savorovoro tany amin’ny Oniversiten’Antsiranana, izay nitarika fahafatesan’olona iray. Ny tsy fifanarahana momba ny fanesorana ireo mpampianatra sy mpandraharaha monina ao amin’ny tranon’ny oniversite onenan’izy ireo no fototry ny olana, araka ny loharanom-baovao.
Savorovoro nahafatesan’olona
Tokony ho tamin’ny 11 ora alina, ny sabotsy 1 novambra 2025, no niantombohan’ny savorovoro tao amin’ny Oniversiten’Antsiranana. Nidiran’ny andian-tanora mahery fihetsika, antsoina hoe : « foroche » ny olana momba ny fanesorana ireo mpandraharaha amin’ny tranon’ny oniversite, ka nampiitatra azy. Nahatonga fahafatesana tanora iray sy naharatrana olona maromaro ity tranga ity.
Taorian’ny zava-nitranga dia nandeha nankany Antsiranana ny solontenan’ny Filàn-kevitry ny Fanavaozana ny Repoblika, notarihin’ny kolonely Rabearimanana Lucien. Niaraka taminy ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, ny Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy ; ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Managna Monira ; ary ny manam-pahefana any an-toerana, toy ny Prefen’Antsiranana Tsirinary Jahdà Hermine, ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena ho an’ny Faritanin’Antsiranana Afakandro Christian ; ny sekretera jeneralin’ny Faritra DIANA, sy ny Lehiben’ny Distrika Antsiranana II.
Fepetra sy vahaolana