Jean Verdi Salomon

DOX Poeta: Jean Verdi Salomon Razakandraina

Publié le Mis à jour le

FANTATRAO VE i DOX?

I Dox na Jean Verdi Salomon Razakandraina no tena anarany, teraka tamin’ny 13 janoary 1913 tany Manankavaly ao atsinanan’Antananarivo.

Pôeta malagasy anisan’ny havanana sy fanta-daza indrindra teo amin’ny tantaran’ny haisoratra malagasy i Dox ary nanamarika ny tantaram-pirenena tamin’iny taon-jato faharoapolo iny.
Dokotera tany amin’io tanàna antsoina hoe Manakavaly io mantsy i Samuël Salomon rainy, toerana misy ny toby itsaboana ny aretin’ny habokana hatramin’izao. Raolina no anaran-dreniny.

Ny rainy Samuël Salomon kosa dia zanaky ny mpitandrina Rasolomona sy Ramaria izay nanangana ny fiangonana tao Anjanapara, tanàna ao amin’ny kaominina Ambanivohitra Alakamisy Anativato, distrikan’ny Betafo. Avy any no fiaviany sy misy ny fasan-drazana nandevenana azy. Nanambady an-dRtoa Razanabololona Perle i Dox tamin’ny 1943 ary niteraka fito mianadahy.
Nirin’ny rainy ho lasa dokotera tahaka azy i Dox saingy tany amin’ny vako-drazana, hosodoko, teatra, hira ary literatiora no niompanan’ny sainy. Anisan’ny anton’io fironana hafa mihitsy io ny fomba nanabeazana azy.

Vao 11 taona nanambadiana izy dia maty vady ary azo lazaina ho nateti-piavy ny fahafatesan’ireo akaikiny :
• novambra 1945 ny zanany voalohany
• febroary 1949 ny zanany fahatelo
• marsa 1949 ny rainy
• jolay 1954 ny vadiny

Notezain-dreniny tany Antsirabe mantsy i Dox fa tsy nandamina ny toe-pahasalamany ny fifindrafindran’ny rainy monina amin’ny maha dokotera mpiasam-panjakana azy.
Avy tamin’ny reniny no niandohan’ny fitiavany sary hosodoko sy hira. Nanana anjara toerana tamin’ny fanabeazana azy koa Rajosefa raibeny, sady mpampianatra no mpamboly tao Ampieferana Anjanapara, sy Razonasy renibeny, avy amin’ny reniny. Tamin’izany no niandohan’ny fankafizany vako-drazana, angano ary nahazoany fahalalana maro momba ny foko niaviany, ny fomba nentin-drazana, ny tenin-drazana, ny hakanton’ny tontolo iainana, ny fitiavan-tanindrazana…

Tsy mahagaga raha nirona tany amin’ny literatiora izy taty aoriana. Tany Antsirabe ihany koa no nandrantoany sekolim-panjakana voalohany.
Nitohy taty Antananarivo izany fanabeazana izany. Nandranto fianarana tao amin’ny « Ecole des Beaux Arts » tao Antananarivo izy aloha tamin’ny taona 1930, sekoly natsangan’ny Governora Jeneraly Hubert Auguste Garbit tamin’ny 1922.

Niompy sy namboly tany Mandoto aloha i Dox. Tsotra sady tiany ny fiainany tamin’izany araka ny nambarany hoe : « … niaina tsotra izao ny « poezy » aho tamin’ny fitoerana tany ambanivohitra teo anivon’ny zavaboahary » (Ny hirako, tak. 15). Niverina tao Antsirabe nampianatra indray izy, asa tsy nifotorany fa « nandramandramako fotsiny » hoy izy (Ny hirako, tak. 14). Tany anefa no nahafantarany an-dRtoa Razanabololona Perle, nakariny ho vadiny tamin’ny 1943. Nandao an’Antsirabe sy ny fampianarana izy noho ny fahafatesan’ny vadiny tamin’ny 21 jolay 1954; niakatra tao Antananarivo ary nifantoka tamin’ny asa fanaovan-gazety aloha. Izy no namorona ny tranoprinty « Mazava » tamin’ny 1955. Tato aoriana izy vao nirona tanteraka tamin’ny literatiora.

Nodimandry tamin’ny 14 Jona 1978 i Dox.

Inoana fa efa namaky na naheno tononkalo nosoratany avokoa isika?

MALAGASY VE IANAO – FB