Raïs et Raj- Alexandre
Fiakarana ny tendrombohitr’i Everest: Zouzar Bouka, Raj Bouka & Rais Bouka: nidina mialohan’ny tampony
Ascension de l’Everest – Fin de l’expédition pour la famille originaire de Madagascar

Fiakarana ny tendrombohitr’i Everest: Olona 3 lany oxygene no maty teo amin’ny « zone de la mort » nandritra ny fiakaran’izy ireo ny tendrombohitr’I Everest hoy I Rais Bouka. Tsy maintsy niverin-dalana moa i Rais Bouka ny alatsinainy 19 May, na dia efa teny amin’ny 150 metatra tsy ahatongavana teny amin’ ny tendrony ambony indrindra aza.
Efa niverin-dalana teo amin’ny camp 1 ihany koa ny rainy Zouzar Bouka ny alahady 18 May, noho ny fahasemporana nahazo azy. Samy nalain’ny helicoptère teny ambony tendrombohitra ary nalefa notsaboina any amin’ny hopitaly moa izy mianaka ireto. Efa niverina tao amin’ny camp de base ny talata 20 May ihany koa i Raj Alexandre Bouka, izay mbola tsy tonga teny amin’ny tendron’ny Everest.