TAFITA

Alain Andriamiseza : Mitaky ny hanesorana ny Praiministra

Publié le Mis à jour le

(©AMP)

Ny fanesorana io Praiministra tsy mahavaha olana io no takianay. Tsy mitondra mankany amin’ny “Fanovana” izay nimatimatesana ny zava-misy ankehitriny amin’ny “Fanavaozana”. Ankoatra izay dia tsy izaho izay anisany nametraka ny filoham-panjakana amin’izao fotoana izao ho eo amin’ny toerany no handeha hanongana azy. Antony nisamborana ahy tany Mahambo Toamasina satria nandeha ny resaka fa misy miaramila miara-mikononkonona fa hisy hanakorontana, ny 5 janoary 2026.

Nandritry ny dimy andro no nakana am-bavany, ny tenako, teny Fiadanana. Ny 30 desambra 2025 no nisamborana ahy tany Mahambo Toamasina. Ireo no anisany nivoitra tamin’ny fampiantsoan’ny filoha mpitarika ny Vondrona Vovonana Tambabe Fanorenana ifotony Ho an’ny Tanindrazana na ny TAFITA, ny mpanao gazety, ny talata 6 janoary 2026, teny Mahazo.

(source: AMP – agencemalagasydepresse.com)