tambajotra sokatra

Tambajotra mpanondrana sokatra : Sinoa 3 tratra tany Tanzania, olona 19 tratra teto Madagasikara

Publié le Mis à jour le

Copyright Image : © Medd

Mpikambana ao anaty tambajotra mpanondrana an-tsokosoko iraisam-pirenena, efa manana fomba fiasa mirindra tsara ary tsy matahotra ny hamono olona, ireo olona 19 vao nampidirina am-ponja vonjimaika, voarohirohy tamin’ny fikasana hanondrana sokatra 2.700 isa, araka ny fanazavana nentin’ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, omaly.

Tambajotra lehibe indrindra rava, teo amin’ny tantaran’ny fanondranana an-tsokosoko nisy teto Madagasikara izy ity, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD), Fontaine Max Andonirina, omaly teny Ampandrianomby.

Mpiray tsikombakomba 19 isa

Raha tsiahivina dia lehilahy iray, tera-tany tanzanianina, no nahatratrarana sokatra miisa 800 natao tao anaty valizy miisa 7, tao amin’ny trano nonenany tao Andovinjo Betamanga, fokontany Ambondrona, Kaominina Mahajanga, ny harivan’ny zoma 27 desambra 2024. Sokake (astrochelys radiata) avy any Morondava ireo saika haondrana an-tsokosoko ireo, izay saika hampitaina tamin’ny alalan’ny « vedette » haingam-pandeha ho any Tanzania. Taorian’ny nahatrarana ity lehilahy ity dia nihetsika ny « Cellule Mixte d’Enquête », ivondronan’ny ministeran’ny Filaminam-bahoaka, ny ministera misahana ny Zandarimaria ary ny MEDD. Tonga hatrany amin’ny Faritra maro ny fanadihadiana, ka raha niainga tany Mahajanga dia nitohy tany amin’ny Faritra Androy, Atsimo Andrefana ary Analamanga. Lire la suite »