Zavamanitra Andriamiharivolamena

Antoko AVI – Ahiana hizara Roa

Publié le Mis à jour le


#Tsy_ara_dalàna ny fijoroan’ny #filoha mpitarika ny antoko “#Asa_vita_no_ifampitsaràna” amin’izao,
Hoy ireo mpikambana sasany avy ao aminy, mbola #tsy_nisy ny #Zaikabe izay natao taorian’ny #fametraham_pialàn’ny filoha nasionaliny teo aloha #Norbert_Lala_Ratsirahonana ny 24 septambra 2025. Ankehitriny , efa tazana mihetsiketsika etsy sy eroa ny antoko miaraka amin’ny #filoha « #vaovao ». Ambaran’ireto mpikambana ao amin’ny antoko ireto anio fa #tsy_manaraka ny #lalàna ny fizotry ny #AVI amin’izao fotoana ka mila mifanantona haingana sy mifamory ahafahana manatanteraka ny #fifidianana araka ny tokony ho izy. #Ahiana araka izany ny faharavàna na #fizarazaràna eo amin’ity antoko ity raha tsy misy ny #marimaritra_iraisana.