Rova Manjakamiadana hialohavan’i Besakana

Publié le Mis à jour le

« Ho vitaina alohan’ny fankalazana ny faha 60 taona niverenan’ny Fahaleovantena ny asa rehetra ».

Ny 06 novambra 1995 no ravan’ny afo ny Rovan’Antananarivo. Ny taona 2006, no nanomboka ny asa fanarenana, ka ny fanamafisana ny fototra sy famerenana ny rarivato ary ny fanafoana an’i Anatirova no natao voalohany.

Nanambara kosa ny Filohan’ny Repoblika, Andry Nirina Rajoelina, ny 11 aprily teny Manjakamiadana, fa « ho vitaina alohan’ny fankalazana ny faha 60 taona niverenan’ny Fahaleovantena ny asa rehetra ».

Atomboka amin’ny fanarenana ny Lapa Besakana izany.

Nohamafisin’ny Filoham-pirenena fa ho averina amin’ny endriny taloha ny Rova ary hangataka ny hampidirana azy ho isan’ireo vakoka manan-danja maneran-tany ny Fanjakana malagasy.

Nohazavain’ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo Rakotondrazafy fa asam-panjakana ny fanorenana ka hisy tolo-bidy ho atao. Notsindriany koa anefa fa asa famitana no hatao mandritra izany.

Laisser un commentaire