Décès du Professeur émérite Etienne RAKOTOMARIA
Nodimandry teo amin’ny faha-80 taonany ny Minisitra teo aloha Etienne Rakotomaria, izay nisahana ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana siantifika, Efa filohan’ny Sekoly ambony Polyteknika-Vontovorona, Antananarivo. koa izy.
Mitondra ny anarany « Lalana Pr. Rakotomaria Etienne » ny ampahan-dalana mampifandray ny tanànan’Alakamisy (Fenoarivo, RN1) amin’ny CUR Vontovorona. Misoratra amin’ny IAC (Information Access Center) izay tranomboky taloha eo anivon’ity sekoly famolavolana injeniera ity ny anarany.
Injeniera nivoaka tao amin’ny INSA (Institut National des Sciences Appliquées) any Lyon Rakotomaria Etienne ny taona 1964 ; tamin’ny 1969 izy no nahazo ny maripahaizana Doctorat. Manana maripahaizana Licence amin’ny Toekarena tany Lyon ihany koa izy.
Nisahana asa aman’andraikitra maro Pr Etienne Rakotomaria fahavelony. Mpampianatra nandritra ny fotoana naharitra tao amin’ny Faculté des Sciences sy teny amin’ny ESPA – Polyteknika izy. Maro ny fikarohana nataony, ary ny 15 amin’ireo dia efa ananany « brevet ». Fizaka-manana avy amin’ny OMAPI Izy no nanorina sy Tale voalohany nitantana ny CNRIT (Centre National pour la Recherche Industrielle et Technologique), izay niforona ny taona 1987.
Mpikambana tao amin’ny filankevi-pitantanana sy ny filankevitra siantifika ny SERDI (Société d’Etude et de Recherche pour le Développement Industrielle), ININFRA, ONE (Office National pour l’Environnement)… ary efa Minisitry ny fampianarana ambony ny taona 1986.
Miombona alahelo amin’ny Tontolo siantifika malagasy, ary mirary fionona feno ho an’ny Fianakavian’io olomangam-pirenena io.
