Hiara-kiasa ny Oniversiten’Antananarivo (Fikarohana) sy ny Vondrona JCR
Nanao sonia fifanarahana teny Ankatso ny Filohan’ny Oniversiten’Antananarivo, Pr. Mamy Raoul Ravelomanana, sy Atoa Jean Claude Ratsimivony, filohan’ny Groupe JCR, ho fanampiana sy fampandrosoana ny Fikarohana sy Fitrandrahana ataon’ireo Manam-pahaizana malagasy.