Fihasinana sy fiandrianana : Ireo tsara ho fantatry ny vahoaka Gasy.

Publié le Mis à jour le

Hazavain’Atoa Randrianantoandro Robert misimisy ato ny Hasim-piandrianan’ny fokom-pirazananan’ny Malagasy manerana ny Nosy, izay mampitambatra ho iray ny Firenena sy ny Hasim-piandrianan’i Madagasikara.

Nampametra-panontaniana tao ho ao ny fiventesana sy ny fampielezana ny «Hasim-piandrianana» sy ny mpitahiry azy, indrindra ny eto Imerina.

Isan’izany fanontaniana izany ny dika sy ny antom-pisiany ary indrindra indrindra ny hampiasàna azy ankehitriny. Nahazo fanankianana ihany koa ho an’ny nanambara ho mpitahiry azy io, tao anatiny ny hoe : iza no nitso-drano na nanome fahefana ? ary nanononana rafitra ara-drazana toy ny Merina enin-toko izany. Nambara ho mpisandoka andraikitra na mpisavika saranga ihany koa «Ny mpitahiry ny hasim-piandrianan’i Madagasikara ao amin’ny Tranoben’ny Merina ao Ambohimanga» raha nitarika ireo hetsika natrehan’olom-panjakana sy olom-panjakàna ho fanajariana ny Hasim-piandrianana manerana ny nosy ny tenany.

Manjavozavo na inian’ny hafa disoina ho an’ny mpisera an-tambajotra an-tranonkala ihany koa ny « Fiandrianana » sy ny « Fihasinana » na ny tompon’izany sy ny mpandova azy ankehitrio, mifangaro manaraka izany ny hasim-panjakana misy na mitoetra hatrizao eto Madagasikara ;

Manazava ireo rehetra ireo sy mamaly ireo fanambaràna sy fanalàm-baràka an-tambajotran-tserasera Ny Andriana Robert Randrianantoandro Mpitahiry ny Hasim-piandrianan’i Madagasikara ao amin’ny Tranoben’Imerina eny Ambohimanga.

Laisser un commentaire