Faha-50 Taonan’ny 13 Mey 1972: mikarakara hetsika fahatsiarovana ny Oniversiten’Antananarivo
Tsiaro: JOBILY 13 Mai ’72 Malagasy
Irène Rabenoro:“Mila tia tanindrazana ny firenena”
« Mila tanora mahay sy mazoto miasa ary indrindra mazoto mianatra ny Firenena… , tsy manam-pitsaharana ny fianarana »
Ny mpampianatra mpikaroka ao amin’ny sampana anglisy eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo eny Ankatso, Irène Rabenoro, no voafidy ho mpandrindra ny Jobily volamena na faha 50 taonan’ny hetsika 13 mey 1972 ny 12 sy 13 may izao eny amin’ity oniversite ity.
13 MAI ’72 MALAGASY

42 taona moa ny tenany no nisehatra tao anatin’izay fampianarana sy fikarohana izay. Mpiara-mitolona niaraka tamin’ny maitre Olala na Willy Razafinjatovo koa izahay, hoy izy, ary ny 24 aprily 1972 no nanomboka tsy niala tety Ankatso intsony ny tolona.
Na dia tao amin’ny sampana anglisy aza aho dia nifantoka tamin’ny resaka teny Malagasy sy io tolon’ny 1972 io ny “thèse de doctorat” nataoko ny taona 1995. Ady hevitra tamin’izany ny momba ny atao hoe “sekoly miangatra” sy “sekoly sivana”. Ny teny hoe sekoly moa no nampiasaina fa raha ny tena marina tamin’ny rafitra rehetra no nisian’izay fiangarana sy sivana izay. Frantsay ny rektoran’ny oniversite, ny sojaben’ireo fakiolte, ny ankamaroan’ireo mpampianatra.
Misy diso na ny voasoratra any amin’ireo bokina tantara aza. Mila tia tanindrazana ny firenena fa tsy be kabary fotsiny. Efa nisy kaongresy maro nialohan’ny fipoahan’ny 13 mey 1972. Adihevitra koa tamin’izany ny momba ny anaran’ity oniversite ity izay natao hoe “Fondation Charles De Gaulle”. 1971 no efa nitokona ny mpianatra dokotera teny Befelatanana sy ny mpianatry ny ekonomia. Teo koa ny hetsiky ny Monima tany atsimo.
Lany tamin’ny isam-bato 99% ny filoham-pirenena, Philbert Tsiranana. Lany fanindroany ary 7 taona tamin’izany ny fe-potoam-piasany ary sambatra angamba izay nino fa vitsy no tsy nifidy ity filoham-pirenena ity. Nosamborina ny minisitra André Resampa. Mafy izany hoe voasazy vao tratra niteny gasy tao an-dakilasy na amin’ny fakan-drivotra izany ary isan’ny antony nampipoaka ny 13 mey 1972 daholo izany, hoy hatrany ity manam-pahaizana ity.
J. Mirija – tiatanindrazana.mg