Faha-120 Taona ny Akademia Malagasy nankalazaina tany Toliara
Vela-kevitra narahana fifanakalozan-kevitra ; sy fandraisana Mpkambana vaovao no anisan’ny notanterahana tamin’ny fankalazana notarihan’ny Filohany Profesora Rajaoson François. Nanatrika sy nisolo tena ny Prezidan’ny Repoblika ‘ny Minisitry ny Fampianarana Ambony Rtoa Assoumacou Béatrice izay manasongadina ny maha sehatra avo lenta ny Akademia ho an’ny Mpanao Fikarohana rehetra eto amin’ny Firenena.