Iray ihany ny Andriambenimerina mikambana ao amin’ny Antenimieran’ny Oloben’ny Madagasikara (A.O.M)
Arak’izany anarany izany, ny Antenimieran’ny Oloben’i Madagasikara (na A.O.M. déclaration d’existence N° 1700/19-MID/DGAT/DPID/ANT/ASS du 03/10/2019) ivondronan’ireo Foko rehetra eto Madagasikara izay Tompom-pahefana ary mampindrana azy amin’ny alalan’ny Fifidianana isan-tokony (Nation, souveraineté nationale) no miandraikitra ireo Vahoaka any ifotony isam-pokom-pirenena, ary ahitana ireo Ampanjaka, Tangalamena, Sojabe, Mpitan-kazomanga, Longo, Anakandria, Tompon’anaran-dray sy ny sisa. Ny A.A.M. (Antenimieran’ny Andriana Merina, déclratioàn d’existence N° 129-21 MID.SG.PREF.POLANT/ASS du 04/02/2021) no misolo tena ny Foko Merina ao anatin’io Vondrom-pirenena io amin’ny alalan’ny AndriambenImerina izay resahana eto.