Norbert Lala Ratsirahonana: tsy hanaiky hotendrena na hofidina intsony mihitsy
Nifampiarahaba tratry ny taona ny Mpikatroka AVI. Taorian’ny efa nametrahany fialana tsy ho Filoha mpitarika ny Antoko AVI intsony, dia mbola nanamafy indray Atoa N.L. Ratsirahonana fa tsy hilatsaka hofidina na hanaiky hotendrena intsony mihitsy izy, fa « hijanona handray olona any an-tranony sisa. »