Kianja BAREA : Vita ireo asa fanampiny hahazoana « homologation » avy amin’ny CAF

Publié le

Copyright Image : © X

Vita ireo asa fanampiny nanamboarana sy nanavaozana ny Kianja Barea Mahamasina araka ny soso-kevitra naroson’ny Konfederasiona Afrikana ny Baolina Kitra (CAF). Miandry ny fanampahan-kevitry ny CAF sisa araka izany fahazoana mandray ireo lalao iraisam-pirenena.

Tohatra sy toeram-pitsaboana

Ny fiarovana ireo mpijery amin’ny loza mety hiseho no tena foto-kevitra nimasoan’ny CAF nandritra ny fitsidihana ity kianja ity. Vita tanteraka izany asa fanamboarana izany ankehitriny. Araka izany dia nampiana tohatra miisa 8 izay milatsaka mivantana eo amin’ny kianja ao anatiny ankoatra ireo 5 efa misy. Nampiana tohatra roa ihany koa avy ety amin’ny « tribune » ankoatra ireo roa efa misy hanamorana ny fidinan’ny olona avy eny ambony. Ankoatra izay dia efa vita ihany koa ny efitrano fitsaboana sy ny toerana fitiliana zava-mahadomelina. Mifanindran-dalana amin’izany ny toerana hahafahan’ny vokovoko mena (croix rouge) manao ny asany, izay nasiana mari-pamantarana manokana mba samy ahita izany avokoa ny tsirairay.

Vavahady fivoahana sy fidirana

Nampitomboina araka ny fangatahan’ny CAF ihany koa ny vavahady hivaoahana ary nasiam-panatsarana ny fidirana. Nasiana fanampina vavahady natokana hivoahana fotsiny miisa 2 eo amin’ny P02 akaikin’ny Sainte famille sy eo amin’ny P03 akaikin’ny Befelatanana, ankoatra ireo efa misy eo amin’ny P01 sy eo amin’ny Palais des sports. Nentina hanatsarana ny fidirana ihany koa ny fametrahana « tourniquets » isaky ny vavahady lehibe 5. Natao indrindra izany hahafahana manisa ny mpijery.

Bozaka

Marihina fa efa tsy tafiditra tao anatin’ny lisitry ny kianja afaka handray ireo lalao iraisam-pirenena intsony ny Kianja Barea Mahamasina. Araka izany dia nomena fe-potoana sy soso-kevitra ny Federasiona Malagasy ny baolina kitra amin’ny fanavaozana ny foto-drafitrasa mba hifanaraka amin’ny filàn’ny CAF sy ny FIFA. Ankoatra ireo tohatra hahafahan’ny mpijery mivoaka sy ny vavahady izay namboarina dia anisan’ny voateny ihany koa ny mahakasika ny bozaka. Nampitoviana ny hahavon’ny bozaka mba ho matihanina sy afaka handray ireo lalao isan-karazany. Arakan y fampitam-baovao dia any ho any amin’ny tapaky ny volan may any no handrasana ny fanapahan-kevitry ny CAF. Ankoatra izay dia mbola mitohy hatrany asa fanatsarana ity kianja ity.

(source: moov.mg)

Laisser un commentaire