Basikety 3×3 – OQT 2024 : nihintsana amboninahitra ny Ankoay

Publié le

Tsy nitsanga-menatra ny Ankoay, nandritra ny fifaninanana hiadiana ny tapakilan’ny “Lalao Olympika Paris 2024”, taranja basikety 3×3, izay natao tany Debrecen, ny 16 -19 mey lasa teo. Fandresena no nivoahan’izy ireo tamin’ity fifaninanana ity, rehefa nandavo an’i Suisse, tamin’ny isa 21 no ho 16, ny sabotsy lasa teo. Fihaonana farany amin’ny fifanintsanana isam-bondrona «A». Laharana fahatelo tao amin’ity sokajy ity ny ekipa nasionaly malagasy, ka tsy afaka niakatra teo amin’ny dingana manaraka. Ny ekipan’i Allemagne sy i Lituanie no tafita any amin’ny ampahefa-dalana.

Tsara ny mampahafantatra fa tamin’ireo fifanandrinana telo nataon’ny Ankoay, nahazo fandresena tokana sy faharesena roa izy ireo. Tsiahivina fa teo amin’ny fihaonana voalohany, niondrika tamin’ny isa 21 no ho 13, nanoloana an’i Lituanie ny mpilalao voafan­tin’i Madagasikara. Lavon’i Allemagne tamin’ny moka fohy, 16 no ho 17 kosa ny faharoa.
Tsara ny mampahatsiahy fa ry Livio, Elly sy Arnol ary i Anthony no niaro ny voninahi-pirenena tany an-toerana. An­koatra izay, ny volana desambra ho avy izao, handray ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika amin’ity taranja ity i Madagasikara. Efa nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny handraisan’ny Malagasy ity fifanintsanana afrikanina ity.

(source: Fitia Randria – newsmada.com)

Laisser un commentaire