Fikarohana sy sikidy: « Matematika misy ifandraisana amin’ny informatika »

Publié le

(®newsmada.com)

Misokatra amina sehatra lehibe ny tontolon’ny kolontsaina malagasy, raha tarafina amin’ny olona liana aminy. Nanamafy izany ny hita nandritra ny velakevitra momba ny sikidy nataon’ny Pr. Rakotondrajao Fanja izay nilazany ny heviny momba io kolontsaina io…

«Ny sikidy dia matematika. Misy ifandraisany amin’ny informatika ihany koa izy, sa­tria, mampiasa ny fanisana « binaire » », hoy ny Pr. Rakotondrajao Fanja, nandritra ny velakevitra notontosaina teny amin’ny Le Park Bemasoandro Itaosy ny harivan’ny sabotsy faran’ny herinandro teo. Noho izany, harem-bakoka tsy tokony hamaivanina izy io. Vao mainka nanafana ny fiarahan’ireo olona maro liana amin’ny sikidy sy ny Pr. Rakotondrajao Fanja ny fanazavana na­taon’Ingahy Jeannot, mpisikidy, tonga teny an-toerana. Nanamafy ny asa fikarohana nataon’ny Profesora Rako­tondranjao Fanja ny fanazavany, indrindra teo amin’ny fifandraisan’ny kajy sy ny sikidy. Nahaliana ny maro ny fanazavany, izay niafara tamin’ny fampiarana tsotsotra ny momba ny sikidy.
Marihina fa tsy mpisikidy akory ny Pr. Rakotondrajao Fanja fa nanao fikarohana momba ny sikidy. Mpampia­na­tra mpikaroka eny amin’ny oniversite. Efa namoaka boky momba ny sikidy rahateo izy.

Manomboka mivelatra ny kolontsaina malagasy
Feno hipoka ny efitrano malalaky ny Le Park Bemasoandro Itaosy. Tranga izay maneho fa liana amin’ny kolontsainy ny Malagasy. Nifanaretsaka ny fanontaniana… Nafana ny fifanakalozan-kevitra narahina adihevitra. Mbola manamafy fa tsy mionona fotsiny amin’ny fahalalana efa ananany intsony ny Malagasy fa te hiroso lalindalina hatrany mba ahafahany mahafantatra ny momba azy.
Maniry ny hanana fahalalana maro momba ny kolontsainy ny Malagasy indrindra fa ny tanora. Noho izany, mila hamaroina ny tahaka ity velakevitra tao amin’ny Le Park Bemasoandro ity. Tahaka izany koa, tokony hifanakaiky sy hifanakalo traikefa sy voka-pikarohana tsy tapaka hatrany ny samy mpikaroka. Maneho ny vokatra ho an’ny rehetra aorian’izay.

(source: HaRy Razafindrakoto – newsmada.com)

Laisser un commentaire