Vovonana Firaisankina: « Tsy handray anjara amin’ny fiantsoana Fifampidinihina »
« Heverina ho toy ny tsy misy ny fanendrena Praiminisitra, fa tsy lalana sy fepetra andrasana: tsy hitondra fitoniana sy fankatoavan’ny vahoaka », hoy ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana. « Ka tsy handray anjara izahay na iza na iza hikarakara sy hitarika izany ! ».
« Famitahana ny vahoaka ny fiantsoana raha tsy misy aloha ny fihainoana ny hetahetany hita taratra eny an-kianja » hoy ny Filoha lefitry ny Antenimerampirenena, Siteny Randrianasoloniaiko.