Communiqué du CPS de l’Union Africaine sur la suspension de Madagascar

Fanambaran’ny Conseil de Paix et de Sécurité (CPS)- Union Africaine – 29 Novembre 2025:
– Tsy mampiasa ny teny oe « fanonganam-panjakana » na « coup d’Etat » intsony ny CPS fa « Autorités malgaches ».
– Atsahatry ny CPS ny sazy mampitoka-monina an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra kaontinantaly sy iraisam-pirenena. Miantso ny Vondrona Iraisampirenena hanohana ara-bola an’i Madagasikara indray aza ny CPS.
– Mitaky kosa ny CPS ny hametrahana tondro-zotra iarahan’ny rehetra na « Feuille de route consensuelle, claire et inclusive », arahana tetiandro mazava amin’ny fiverenana amin’ny rafitra manaraka ny lalam-panorenana na ny « retour rapide et total à l’ordre constitutionnel ».
(source: Real TV Madagasikara)