Kardinaly Tsarahazana Désiré : “Tokony ho ao anatin’ny BNGRC ny Fiangonana”

Hampirisihina ny fampidirana ofisialy ireo tomponandraiki-pivavahana ho anisan’ny mpiantsehatra ao amin’ny Ivontoeram-pandrindran’ny BNGRC ao Toamasina.
Nisongadina izany tamin’ ny fihaonan’ny arsevekan’ny diosezin’i Toamasina, ny kardinaly Tsarahazana Désiré, taorian’ny fihaonany tamin’ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama, teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo, afakomaly, araka ny fampitam-baovao voaray omaly. Mba hanatevenana ny fiaraha-miasa amin’ny fanarenana ny fahavoazana vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Fytia sy Gezani farany teo izany.
“Iarahantsika mahafantatra ny zava-niseho any Toamasina sy ny manodidina. Tena fahavoazana… Hatramin’ny niainako, tsy mbola nahita rivotra mafy toy ireny aho”, hoy ny kardinaly Tsarahazana Désiré. Mila vonjy i Toamasina e! Satria maro ny olona manao tafo lanitra amin’izao fotoana izao. Manahirana na ny sakafo aza. Fiangonana 19 sy sekoly 28 no rava na niharan’ny fahasimbana tanteraka. Vao mainka nanampy trotraka ny fahasahiranan’ireo vondrom-piarahamonina marefo izany. Nefa ny fotodrafitrasa ara-pivavahana no ivon’ny fifandraisana sy fanabeazana ary toerana mampiray ny mponina amin’ny faritra maro eto Madagasikara. Maro ny zavatra simba. Tsy fantatra intsony hoe hatomboka amin’ny inona ny fanarenana.
Nohamafisin’ny Praiminisitra fa miray fo amin’ny vahoakan’i Toamasina ny governemanta manontolo sy ny fitondram-panjakana. Laharam-pahamehana ny famonjena ny aina, ny fanampiana maika, ny fanarenana an’ireo fotodrafitrasa simba… Nisy ny fampahafantarana ny paikady hiatrehana ny voka-dratsin’ny rivodoza Fytia sy Gezani farany teo.
(source: R. Nd. – newsmada.com)