Fandaharanasan’ny Fanavaozana: Hanara-maso ny fikaonandoha ny Sadc

Manaraka akaiky. Nambaran’ny minisitra misahana ny Fanavaozana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra, fa anisan’ny hanamarika ity herinandro ity ny fahatongavan’ny iraky ny Sadc. « Hijery ny fandrosoan’ny asa araka ny voafaritra ao amin’ny fandaharanasan’ny Fanavaozana izy ireo. Horesahina mandritra ny fihaonana koa ny momba ny tetibola hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena », hoy izy, tetsy Antaninarenina, omaly tamin’ny fananganan-tsaina. Nambarany koa fa hanomboka anio sy rahampitso ny fampiofanana ireo mpampiofana hitarika ny fikaonandoha ho an’ny avy amin’ny minisitera sy ny FFKM. Eo koa ireo fiarahamonimpirenena sy ny tanora ary ny fikambanam-behivavy. Nanteriny fa hotanterahina ny 20 mey izao, eny amin’ny CCI Ivato, ny lanonana fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny fikaonandoha. «Fikaonandoha eny ifotony ary hiresahina sy handinihina ny momba ny fitantanana ny fifidianana sy ny momba ny rafi-panjakana», hoy ihany izy.
Notsiahiviny tamin’izao fananganan-tsaina izao koa ny ezaka vitan’ny minisitera tantaniny. Teo ny nanaovana ny fikaonandoha andrana, momba ny fomba fiasa natao teny ifotony, notanterahina tao Antsirabe I sy II. Teo koa ny nahavitan’ny fikaonandoham-pirenen’ny tanora teto an-dRenivohitra sy any amin’ny faritra ka nandraisan’ireo talem-paritra misahana ny Fanavaozana anjara. Ary ny fihaonana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka nandinihina ny hanamafisana ny fiaraha-miasa.
(source: Synèse R. – newsmada.com)