010523

Fitokanana ny Làlana Ramampanjaka [Ambohimiandra-Mahazoarivo]

Image Publié le Mis à jour le

Fitokanana ny Làlana Ramampanjaka, izay notontosaina ny Alatsinainy faha-01 Mey 2023.

Ny Làlana lazaina eto dia eo anelanelan’ny sampanana Mandroseza-Ambohimiandra hatreny Fenomanana-Mahazoarivo. Ramampanjaka izay raiketina eto indray dia zafikelin’i Ratsimanisa Rainimaharo (izay zandrin’i Rainiharo Praiminisitry ny Mpanjakavavy Ranavalona I), ary naterak’i Rainimaharavo sy Rasoaray anabavin’ny Praiminisitra Rainilaiarivony. Nisaotra sy nankasitraka ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo sy ireo solombavambahoaka ary  ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny niara-nifarimbona taminy Atoa Johan Joël Rakotomanga, Filohan’ny FITERAM (Fikambanam-pianakaviana Teraka Ramampanjaka sy Rafara). 

Nifandimby teo amin’ny lahateny Atoa isany Ranivomanalintsoa Zafinimpanana mpandrindra ny lanonana (Fianakaviana), Andrianarimalala Dina Hasina, Lehiben’ny Sampandraharaha misahana ny Fanabeazamboho ny Vakoka (CUA), Ranjeva Raymond, Filoham-boninahitry ny Akademia malagasy.

CLIQUER SUR L’IMAGE POUR L’AGRANDIR

CLIQUER SUR L’IMAGE POUR L’AGRANDIR.

(source: Ambohimiandra- FB)