antoko AKFM
Nodimandry ny Filohan’ny antoko AKFM: Eric Rakotomanga
Misaona indray ny tontolo politika malagasy amin’ny fahalasanan’Atoa Eric Rakotomanga Filohan’ny AKFM (Antokon’ny Kongresy ho an’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara), izay anisan’ny antoko tranainy indrindra eto amin’ny Nosy, ary nalaza tamin’ny fanoherana hatramin’ny nijoroan’ny Repoblika voalohany notarihan’ny Filoha Philibert Tsiranana, sy ny Fanjanahan-tany amin’ny endriny vaovao.

Mirary fionona feno ho an’ny Fianakaviany sy ny antoko ary ny mpikambana rehetra niaraka taminy.