Avoko Production
Film gasy : Avoko Production souffle ses 20 bougies
Avoko production Vita ny fanodinana sarimihetsika tany Dubai
Tafaverina teto an-tanindrazana ny faran’ny herinandro teo ny ekipan’ny Avoko production rehefa nanao fanodinana sarimihetsika nandritry ny tapabolana tany Dubai.
Mbola tafiditra ao anatin’ny famaranana ny fankalazana ny faha20 taona an’ity trano mpamokatra sarimihetsika malagasy ity izany ezaka lehibe izany. Na Dia tao anaty hafanana tanteraka aza tany an-toerana dia vita soa aman-tsara ihany ny fanodinana ka tao an-tananan’i Dubaï Mall, Al Rigga street, Désert de Safari no nanatanterahana izany, raha ny fampitam-baovao hatrany.
Vokatra izay ho hitan’ny mpankafy ao amin’ny Canal plus NOVEGASY moa izao nahodina tany Dubaï izao ary nanaovan’ny ekipan’ny Avoko production andrana ihany koa eo amin’ny fanatsarana sy fanomezana fahafaham-po ho an’ny mpanjifa. Maro be ny vokatra efa miandry sy ny vao an-dalam-panodinana satria ny tanjon’ity trano mpamokatra sarimihetsika malagasy ity ny hahatonga ny sarimihetsika ho indostria mihitsy eto Madagasikara. Ankoatran’ny mpitantana ny orinasa dia ireo mpilalao ao amin’ny Avoko production izay efa matihanina no nanodina ny sarimihetsika tany an-toerana.
Hanavao sy hanatsara ny fitaovana indray no dingana manaraka satria dia voaporofo fa vahoaka malagasy an-tapitrisany no manaraka tsy tapaka isan’andro ny vokatra atolotr’izy ireo ka rariny, hoy hatrany i Avoko, izay mpitantana ny orinasa raha hatsaraina hatrany ny kalitao atolotra azy ireo.
J. Mirija – tiatanindrazana.mg
20 ans au compteur, 35 long-métrages et 1 300 épisodes de série, des chiffres assez impressionnants pour Avoko Production.
L’un des pionniers du film gasy, Avoko Production fête ses 20 ans d’existence. Pour marquer en beauté ces deux décennies, la maison de production passe aux choses plus sérieuses en participant à la Foire internationale de Madagascar au mois de septembre. Lire la suite »
