Coca-Cola Ultimate Yas Soccer

“Coca-Cola Ultimate Yas Soccer” : Hianoka ny « Mondial 2026 » efijery goavana ireo mpitia baolina kitra

Publié le Mis à jour le

Copyright Image : © Moov

Hanomboka rahampitso 11 jona ka haharitra hatramin’ny 19 jolay 2026 ny fiadiana ny tompondaka eran-tany amin’ny taranja baolina kitra. Ho an’ireo mpankafy eto Madagasikara, hisy toerana manokana ahafahana miaina ny hafanan’ny Mondial amin’ny alalan’ny efijery goavana hapetraka ao amin’ny Tanà Water Front Ambodivona.

Mifampizara ny hafalian’ny « Mondial »

Tsy voatery hijanona ao an-trano intsony ireo tia baolina kitra maniry hizara ny hafalian’ny Mondial amin’ny hafa. Eo ambany anaran’ny “Coca-Cola Ultimate Yas Soccer”, dia hanangana “Fan Zone” ao amin’ny Tanà Water Front Ambodivona ny Carré Bleu, miaraka amin’ny fanohanan’ny Coca-Cola, Yas Madagascar ary Magasins U.

Hiapetraka manomboka rahampitso alina, mandritra ny lanonam-panokafana ny fifaninanana, ireo efijery goavana izay handefasana mivantana ny lalao. Ny Mada Square no hiandraikitra ny fitantanana ireo efijery ireo, raha ny K-Wing kosa no hikarakara ny fanamafisam-peo. Hipetraka amin’ny toerana telo samihafa ao anatin’ny Tanà Water Front ireo fitaovana ireo, mba hahafahan’ny olona maro manaraka ny lalao.

Lalao sy fanentanana isan-karazany 

Araka ny fanazavan’i Rija Ratsimbazafy, tomponandraikitra eo anivon’ny Carré Bleu, dia tanjona ny handefa lalao betsaka araka izay azo atao. Na izany aza, ireo fihaonana mifanaraka amin’ny ora eto Madagasikara no homena vahana. « Hetsika hahafahana miaina tanteraka ny Mondial mandritra ny iray volana izy ity”, hoy izy. Lire la suite »