Diosezin’Antsirabe
Antsirabe : Napetraka teo amin’ny fiketrahana masina maha Eveka azy i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina
« Tsy azo atao hoe « neutre » ny Eglizy Katôlika », hoy ny nambaran’i Mgr Fabien Raharilamboniaina, izay Filohan’ny CEM (« Conférence Episcopale des Evêques de Madagascar »).
Ny faha 10 Jolay 2023 no notendren’i Papa François ho evekan’ny Diosezin’Antsirabe ny Mgr Jean Pascal Andriantsoavina taorian’ny fahafatesan’i Mgr Phillipe Ranaivomanana Eveka nitondra teo aloha. Tsy vahiny eto Antsirabe ny eveka vaovao fa lehibe teto amin’ny tananan’Antsirabe, izy izany no Eveka fahafito hitantanana ny diosezin’Antsirabe.
Tao amin’ny distrika Andraimasina no nanombohany ny fianarany ary efa niasa sy nisehatra tamin’ny fanabeazana teto amin’ny diosezin’Anatsirabe ny tenany.
Nitana ny toerana Eveka mpanampy tao amin’ny Archidiocèse Antananarivo izy nialohan’ny nanendrena azy ho evekan’Antsirabe izao.