fambolen-kazo
Tanamasoandro: nosokafan’ny Filoha Rajoelina mivady ny taom-pirenena fambolen-kazo
Nambarany tamin’izany koa ireo vinan’asa ho tanterahina eny Imerintsiatosika ary hifandraisany amin’Antananarivo renivohitra.
Fambolen-kazo: hampitomboina ho 150.000 Ha ny Faritra ho volena
Eo anatrehan’ny hafainganan’ny fahasimban’ny tontolo iainana, dia tsy hiandry ny volana Janoary intsony ny ministera fa haroso ny fotoana fambolen-kazo, ary hampitomboina ny velaran-tany ho volena mba hamonjena ny Tanintsika. Hanampy amin’izany ireo firenena alemana sy sinoa.
Soamandrakizay: « pépinière » ngeza indrindra eran’ny Afrika
Zana-kazo 10 tapitrisa no ho vokarina eto. Ary araka ny « veliranon’ny Filoha » Rajoelina, dia hamboly hazo miisa 60.000.000 isika manomboka ny volana Janoary 2020 hamerenana an’i Madagasikara ho « Nosy Maitso »
Ho mariky ny fandraisan’anjara dia nanolotra fanampiana mitentina 50 Tapitrisa Ariary ny Masoivon’ny Chine.