fandraisana mpiasam-panjakana
Sehatry ny asa: 60 000 ireo ho raisina mpiasam-panjakana

Haverina, hanatevenana indray ny mpiasam-panjakana, ny fandraisana ireo « Employés fonctionnaires assimilés » (EFA) sy ny “Employés de longue durée” (ELD) miisa 65 279 rehefa niato izany ny volana febroary 2020. Io ny fampahafantarana nataon’ny minisitry ny Asa, ny fampanananasa ary ny asam-panjakana, (MTFOP) Florent Soatiana Bety Léonne. “Niainga tamin’ny fanadihadiana lalina nataon’ny ministera roa tonta, ny avy amin’ny Asa sy ny fampanana asa sy ny ministeran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola izany. Nitohy tamin’ny fankatoavan’ny filankevitry ny minisitra ny 3 desambra lasa teo”, hoy hatrany ny minisitra.
Nanteriny fa nandalo ireo fepetra sy masontsivana avokoa anefa ny fahazoan’izy ireo miditra ho mpiasam-panjakana, toa ny fitakiana ny fahaiza-manao sy ny mari-pahaizana ananan’ ireo mpiasa. Notsindrin’ny minisitra manokana fa ireo efa tao anatin’ny asam-panjakana teo aloha nandritra ny enin-taona no hisitraka ny « intégration ». Araka izany, « Tsy ho vesatra ho an’ny kitapombolam-panjakana ny fiakaran’ny tetibola natokana ho azy ireo », hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Razafindrakoto Iouri Garisse. Marihina fa fiaraha-miasan’ny MTFOP sy ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola no nahafahana indray manatontosa ny fandaharanasa ho tombontsoan’ny mpiasa malagasy.
(source: Synèse/Henintsoa – newsmada.com)