farafangana

Farafangana : nahazo fanampiana avy amin’ny filoha Andry Rajoelina hanarenana ireoTranobe 13

Publié le Mis à jour le

Migadona eto an-tampon-tananan’i Farafangana, Faritra Atsimo Atsinanana ny Filohampirenena Rajoelina Andry sy ny delegasiona tarihiny ankehitriny, tafiditra amin’ny fitsidihana ny tapany Atsimo Atsinanan’i Madagasikara androany ity.

Nosantarina tamin’ny fanokanana ampahan-dalana mirefy 21,300km (eo amin’ny tananan’ Anosy, Tsararafa- Farafangana tampon-tanana; anatin’ny lalam-pirenena faha 12 (RN12) mampifandray an’i Vohipeno sy Farafangana izay napikaikaika ny mpampiasa ity lalana ity izay nambaran’ny Filohampirenena fa Velirano nifanaovany tamin’ireo raiamandreny Ampanjaka avy eto an-toerana.

Nisy Filohampirenena niaraka tamin’ireo Ampanjaka nohon’ny fangatahan’izy ireo hanampy tamin’izany. Noraisin’ireo Ampanjaka tao amin’ny tranoben’ny Rabakara Marovahiny ny Filoha. Nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny Filohampirenena Rajoelina Andry dia nanambarany fa harenina indray ireo Tranobe miisa 13 eto amin’ny tananan’i Farafangana izay ravan’ny afo nohon’ny haintrano tamin’ny volana Mey tamin’ny taon-dasa.

Natolotry ny Filoha ireo Ampanjaka ny vola hanampiana azy ireo amin’ny fanarenana indray ireo Tragnobe ireo. Nanambara koa ny Filohampirenena fa hihaona hifampitafa amin’ny vahoakan’i Farafangana aorian’ny fanokanana fotodrafitrasa marolafy eto Farafangana.

Filoha Rajaonarimampianina sy ny « grand Sud-Est »: Fanamby sy Velirano?

Publié le Mis à jour le

Nanatanteraka fikaonandoha lehibe tao Farafangana ireo Ampanjaka rehetra avy amin’ny Faritra Atsimo-Atsinana sy Vatovavy-Fitovinany nandinihan’izy ireo ny olana marobe sedrain’ny mponina mikasika ny fiarian-karena, ny filaminana sy ny tsy fandriam-pahalemana ary ny fahasimban’ny tontolo iainana, ka natolotra ampahibemaso ny Filoha  Rajaonarimampianina sy ireo manam-pahefana nanara-dia azy tany an-toerana ny fehin-kevitra mafonja tapaka tamin’izany.

Ampaham-baovaon’ny TVM

Ho hitanao ato koa ny fanomezana an’i Maevatanana 1.200 « panneaux solaires » ho famatsiana herinaratra tsy efan’ny Jirama.


Bénédiction et soutien inconditionnel des Ampanjaka aux efforts de Développement

ampanjaka-farafangana
Les Ampanjaka et/ou autorités traditionnelles avec le Président malagasy

Pour sa première visite régionale, en cette année 2017, le Président de la République s’est rendu ce 4 janvier à Farafangana; il était venu à l’invitation des Ampanjaka et des notables du Grand Sud-Est, en l’occurence ceux des Régions Vatovavy Fitovinany et Atsimo Atsinanana réunies à Farafangana. Ces autorités traditionnelles ont invité le Président Rajaonarimampianina pour lui accorder leur bénédiction dans la conduite du pays et, plus particulièrement, pour la réalisation de la Politique Générale de l’Etat afin d’assurer le développement. Par la même occasion, les Ampanjaka du Grand Sud-Est ont déclaré leur engagement solennel à soutenir les actions et les efforts déployés par le Gouvernement pour le développement et l’amélioration du bien-être des malgaches.