Governemanta faharoa Rajaonarison mamitiana

Governementa Rajaonarison : minisitra 30 no mandrafitra azy, ny 17 no tafaverina amin’ny toerany

Publié le Mis à jour le

Copyright Image : © Prrm

Tafajoro ny 25 martsa 2026 ny governemanta faharoan’ny fitondrana Fanavaozana. Miisa 30 izy ireo no mpikambana ao anatin’izany, izay tarihin’ny praiminisitra Rajaonarison Mamitiana Ruffin Jeannot.

Raha toa ka ny 15 martsa lasa teo no voatendry ho praiminisitra lehiben’ny governemanta Rajaonarison Mamitiana Ruffin Jeannot, dia 10 andro taorian’izay kosa no voatendry ireo mpikambana rehetra handrafitra izany governemanta izany. Miisa 30 ireo minisitra voatendry sy nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly, nandritra ny lanonana notontosaina teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, ka ny 17 tamin’ireo no efa mpikambana tao anatin’ny governemanta Rajaonarivelo, raha vaovao kosa ny 13. Ny 9 tamin’ireo minisitra notendrena ireo no vehivavy.

Fampahafantarana


Ireo minisitra voatazona amin’ny toerany :

-Minisitry ny Foloalindahy : Razafitombo Maminirina Ely
-Minisitry ny Fitsarana, mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana : Fanirisoa Ernaivo
-Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana : Rakotonandrasana Hanitra Velonjara Tiaray
-Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola : Dr Ramiarison Herinjatovo
-Minisitry ny Filaminam-bahoaka : Erick Michel Wouli Soumah Idrissa
-Minisitra misahana ny Fanavaozana : Me Razafimanantsoa Hanitriniaina
-Minisitry ny Fanajariana ny Tany : Général de Division Lylison René de Rolland
-Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka : Dr Managna Monira
-Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa : Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy
-Minisitry ny Varotra sy ny fanjifana : Andriamadison Haingotiana Michela Angèle
-Minisitry ny Rano, ny Fahadiovana sy ny Fidiovana : Razafindrianiaina Minosoa Anjaratiana Elia
-Minisitry ny Fizahantany sy ny Asa Tanana : Vololoniaina Lucie (Lily Rafaralahy)
-Minisitry ny Paositra, ny Fifandraisan-davitra ary ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy Mirindra : Andriamampiadana Mahefa
-Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena : Rasambany Alain Désiré
-Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina : O’Gascar Fenosoa Mandrindrarivony
-Minisitra delege misahana ny Zandarimaria : Général de Brigade Bama Marima
-Minisitry ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena stratejika : Andriamparany Carl

Ireo minisitra vaovao :

Lire la suite »