Joseph Raseta

Dr Joseph Ravoahangy, Dr Joseph Raseta, Jacques Rabemananjara : ireo mpitarika MDRM tamin’ny taona 1946-1947

Publié le Mis à jour le

Copyright Image : © Musée De La Photographie De Madagascar

Samy solombavambahoaka malagasy nahazo toerana tao amin’ny Antenimierampierenena Frantsay i Raseta sy Ravoahangy. Tany Frantsa izy ireo no nihaona tamin’ilay Diaspora antsoina hoe Rabemananjara. Nanorina ny Mouvement démocratique de la rénovation malgache (MDRM) izy telohahy avy eo.

Ny taona 1945, taorian’ny fifaranan’ny ady lehibe faharoa, no efa nitaky ny hamerenana feno ny fahaleovantena i Madagasikara. Niha-nalefaka ny mpanjanaka ka nahazo toerana roa tao amin’ny Antenimierampierenena Frantsay i Madagasikara. Niombona tamin’izy roalahy avy eo ilay teratany malagasy nonina tao Frantsa, Jacques Rabemananjara.

Joseph Ravoahangy Andrianavalona

Raha ho an’ny mponina eto Antananarivo dia tsy zoviana intsony izany hoe Hôpital Joseph Ravoahangy Andrianavalona. Mpitsabo mantsy i Joseph Ravoangy, izay tsy iza fa mpitari-tolona tamin’ny 1946-1947. Nisehatra teo amin’ny politika ihany koa izy, ary solombavambahoakan’i Madagasikara ny taona 1945 hatramin’ny 1951 : 21 oktobra 1945 hatramin’ny 10 jona 1946 ary 10 novembra 1946 hatramin’ny 4 jolay 1951. Anisan’ireo minisitra ny tenany tamin’ny fitondran’i Philibert Tsiranana, tamin’ny taona 1960.
Ny 28 octobre 1893 izy no teraka, tao Fianarantsoa, ary nodimandry ny 21 aogositra 1970 teto Antananarivo. Fony fahavelony, ny taona 1896 no nisokatra ny HJRA, izay nampitondraina ny anarany. Efa mpikambana tao amin’ny tao amin’ny Vy Vato Sakelika (VVS) ny tenany, izay fikambanana niafina. Ny votoanton-kevitra tao amin’izany vondrona izany ihany no nanorenany ny MDRM.

Joseph Raseta

Samy dokotera na i Joseph Ravoahangy na i Joseph Raseta. Mpinamana araka izany izy roalahy mpitari-dolona MDRM.
I Joseph-Delphin Raseta dia teraka tamin’ny 9 desambra 1886 ary nodimandry ny 5 oktobra 1979. Nampitondraina ny anarany ny Hôpitaly ao Befelatanana : Hôpital Joseph Raseta Befelatanana (HJRB). Marihana nefa fa tamin’ny vanim-potoanan’ny fanjanahantany dia mbola « Hôpital Indigène » no anaran’io toeram-pitsaboana io, ary ny 29 marsa 2004 vao novaina ho HJRB.

Lire la suite »