Kabary Rajoelina 2024

Kabarin’ny filoham-pirenena : Eny amin’ny « Lac Iarivo » no hankalazaina ny fetim-pirenena 2025

Publié le

Copyright Image : © Prm

Toy ny fanao, isaky ny mifarana tahaka izao ny taona, dia nitafa tamin’ny vahoaka Malagasy ny filoha Andry Rajoelina, fotoana izay namintinany ny zava-bita nandritra ity taona 2024 efa madiva hivalona ity, no sady nampahafantarana sahady ireo izay hitranga amin’ny taona ho avy.

Fanamboaran-dalana

Ny momba ireo fotodrafitrasa voatsangana, tao anatin’ity taona voalohany amin’ny taom-piasana faharoany ity, no isan’ny nasongadin’ny filoha Andry Rajoelina voalohany. Tetikasa isan’ny imatimatesan’ny filohan’ny Repoblika ny « autoroute » mampitohy an’Antananarivo amin’i Toamasina, izay hisokatra amin’io taona 2025 ho avy io, araka ny nambarany, ny ampahany voalohany. Lire la suite »