kandida Julia Mickaella Rasolofonoroniaina

Julia Mickaella Rasolofonoroniaina, kandida vehivavy fahatelo @ fifidianana 2018

Publié le Mis à jour le

Ny kandida Julia Mickaella Rasolofonoroniaina

Julia Mickaela Rasolofonoroniaina na Mishah,

23-août-2023

mpandraharaha, mpanao haiady Kick Boxing, mpitarika fikambanana, fiarahamonim-pirenena ((Andry fanavotana an’i Madagasikara)).

Toerana iray eny Ivato, raha ny fampitam-baovao voaray, no hanaovany izay fanambarana izay. Fanintelony amin’ireo vehivavy hirotsaka ho fidiana filoham-pirenena amin’io 9 novambra io, araka izany, ity andriambavilanitra ity raha tanteraka soa aman-tsara ny anio. Tombanana ho manodidina ny 15 isa izany hatreto ireo kandida na mety ho kandida filoham-pirenena amin’ity taona ity saingy ho hita eo moa hoe iza no tena sahy sy hihemotra amin’ny ora farany? Tsiahivina fa manomboka anio 23 aogositra ary hifarana ny 6 septambra ny fahafaha-mandray ny antotan-taratasy rehetra ilaina miaraka amin’ilay volabe 200 tapitrisa anto-bola na “caution” ho an’ireo izay tena heverina hoe vonona ny amin’izay hazakazaka hahazo ny fanalahidin’Iavoloha izay.

(Nangonin’i J. Mirija – Tia Tanindrazana) – 23.08.23


✅RASOLOFONORONIAINA Julia Mickaelle nisintona ny taratasy firotsahany teny amin’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana io maraina io. 😜Antony, tsy feno ny antonta-taratasy. Milaza ny hanohana ny filoha kosa izy ireo.
(i-BC)