Lahiniriko Alexandre Denis
Vakoka sy Tantara: ny faha-30 Septambra sy ny Rovan’Antananarivo [VANF]

Hatramin’ny Fanjanahantany no nankaty dia samy sondriana tamin’ny zava-nanahirana azy ny olona tsirairay avy, koa dia tsy nahatadidy loatra intsony ny zava-nanjo an’ity toerana sy Vakoka sarobidy eo amin’ny Tantaran’ny Firenena malagasy ity. Koa dia mampahatsiaro izany fohifohy eto Atoa Nasolo Valiavo Andriamihaja, fantatry ny mpanara-baovao amin’ny fiantsoana azy mahazatra hoe VANF noho ny faha-127 taonan’ny nandresen’ireo mpanani-bohitra avy any ivelany antsika.