Lakroa
Demokrasia: « De moka ratsy a! »
Mbola misedra ny fikatonan’ny fiangonana ny Gazety Lakroan’i Madagasikara ka tsy mbola mivoaka ny gazety taratasy. Mitohy hatrany eto kosa ny fifandraisana aminao mpamaka ny sy mpanjifa ny gazety Lakroan’i Madagasikara eto amin’ny tranonkala http://www.lakroa.mg. Tena nahitana ny lanjan’ny fifandraisana amin’ny alalan’ny arabe ny fandraisana ny fanapahan-kevitra hiatrehana ny valanaretina ity. Misy ho saintsainina. Indro ary ny matoan-dahatsoratra norenesinao tao amin’ny Feon’ny Lakroa nalefan’ny RDB ny talata 1 jona teo.
Lany ny lalàna mifehy ny mpanohitra eto Madagasikara. Lalàna nasiam-panovana, ary ny antoko nanoratra azy tanaty Lalàm-panorenena ihany, no nanova azy rehefa tena azony ny fahefana. Miditra any an-dapa ny demokrasia. Any amin’ny Anteminieram-pirenena ihany no misy demokrasia. Fa raha misy olona manao fihetsiketsehana dia tokony ho sazian’ny lalàna. Raha tsorina dia natao handatsa-bato fotsiny ny vahoaka, ary fifidianana ihany no demokrasia eto amintsika. Zary fialokalofana ny lalàna nefa ny olombelona ihany no manao ny lalàna.
Fanambaniana ny mpifidy satria izay nomena fahefana no mibodo fahefana. Ireo olom-boafidy ihany no mandidy dia homana eto amin’ny firenena. Rehefa nomena azy ny fahefana dia izy no misolo vava anao, izy no saina aman-tsofinao, izy no fahefana sy lalàna…. Mandidy manapaka e ! Mahay isika Malagasy raha hanambaka vahoaka. Ary ho avy eny amin’ny vahoaka izy mianakavy hanazava fa io no tena demokrasia hampandroso. Niainga avy any Ikongo izy ity. Ary fomban’ny ampanjakan’ny tranobe no apetraka amin’ny firenena. Ao amin’ny tranobe no mandidy manapaka. Tsy modely demokratika ny fitantanana tranobe. Tsy fanjakan’ny tranobe ny Anteminieram-pirenena, ary tsy Antanalan’Ikongo daholo ny Malagasy. Raha fitaratra iny distrika iny efa nihazakazaka ny filoha nametraka zavatra manara-penitra tany Ifanirea, Karimbelo, Antanakamba, Antodinga… Tamin’ny andron’i Tsiranana no nisy fikasana hanao ny tetezana Angado. Tsy RN 44 ny lalana mampifandray an’ikongo, Antanakamba, Ifanirea na Vohipeno- Angado –Ifanirea, Karimbelo.
Sao dia fomba enti-mampanjaka fifandrafesana tsy hisian’ny fihavanan’ny mpirahalahy ity lalàna ity ? Sao dia fandrangitana ny fankahalan’i Kaina an’i Abela, mba hanjakan’ny mpandrombo amin’ny tanàna? Manjary Kaina sy Abela ho azy Rajoelina sy Ravalomanana rehefa ny politikan’ny « zarazarao hanjakana », no zary lova politikan’ny zanaka amam-para.