PDS

PDS niala: Edgar Razafindravahy, totoafon’ny mpanao gazety…

Publié le Mis à jour le

Raha tsiahivina dia kandidà tamin’ny fifidianana ho Filoham-pirenena tamin’ny 2013 Atoa Edgar Razafindravahy, nifaninana tamin-dry Hery Rajaonarimampianina, Camille Vital praiministra teo aloha, Jean Louis Robinson minisitry ny Fahasalamana tamin’ny fitondran-dRavalomanana, Hajo Andrianinarivelo praiministra lefitry ny Filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina, Sarah Georget Rabeharisoa vehivavy tokana nilatsaka, sy ny maro hafa koa…

Ny fikambanana noforoniny antsoina hoe « Arche de Noé » no nanohana azy tamin’izany (iray amin’ireo anarany ihany io, prénoms: Edgar Marie Noé!). Rahefa tsy lany izy dia notendren’ny Fitondran’ny Filoha vaovao Hery Rajaonarimampianina ho PDS-n’Antananarivo. Ka mialoha indrindra ny fifidianana izay ho Ben’ny Tanàna voafidim-bahoakan’Antananarivo indray ity resadresaka mahaliana ho raiketin’ny Tantara tao amin’ny fahitalavitra ity:

…Dia teraka ny antoko politika vaovao « Arche de la Nation » (ADN ihany, na Antoka sy Dinan’ny Nosy) manolotra ny sedra ho hatrehana sy ny vava asa miandry.

R.M.