Praiminisitra Rajaonarivelo

Kardinaly Tsarahazana Désiré : “Tokony ho ao anatin’ny BNGRC ny Fiangonana”

Publié le Mis à jour le

Cardinal Désiré Tsarahazana sy ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo

Hampirisihina ny fampidirana ofisialy ireo tomponandraiki-pivavahana ho anisan’ny mpiantsehatra ao amin’ny Ivontoeram-pandrindran’ny BNGRC ao Toamasina.

Nisongadina izany ta­min’ ny fihaonan’ny arsevekan’ny diosezin’i Toa­ma­sina, ny kardinaly Tsa­ra­hazana Désiré, taorian’ny fi­haonany tamin’ny Praimi­ni­sitra Rajaonarivelo Herintsa­lama, teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo, afakomaly, araka ny fampitam-baovao voaray omaly. Mba hanatevenana ny fiaraha-mi­asa amin’ny fanarenana ny fa­havoazana vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Fytia sy Gezani farany teo izany.

“Ia­rahantsika mahafantatra ny zava-niseho any Toamasina sy ny manodidina. Tena fahavoazana… Hatramin’ny niainako, tsy mbola nahita rivotra mafy toy ireny aho”, hoy ny kardinaly Tsarahazana Désiré. Mila vonjy i Toamasina e! Satria maro ny olona ma­nao tafo lanitra amin’izao fo­toana izao. Manahirana na ny sakafo aza. Fiangonana 19 sy se­koly 28 no rava na niharan’ny fahasimbana tanteraka. Vao mainka nanampy trotraka ny fahasahiranan’ireo vondrom-piarahamonina marefo izany. Nefa ny fotodrafitrasa ara-pivavahana no ivon’ny fifandraisana sy fanabeazana ary toerana mampiray ny mponina amin’ny faritra maro eto Madagasikara. Maro ny zavatra simba. Tsy fantatra intsony hoe hatomboka amin’ny inona ny fanarenana.

Nohamafisin’ny Praiminisi­tra fa miray fo amin’ny vahoakan’i Toamasina ny governemanta manontolo sy ny fitondram-panjakana. Laharam-pahamehana ny famonjena ny aina, ny fanampiana maika, ny fanarenana an’ireo fotodrafitrasa simba… Nisy ny fampahafantarana ny paikady hiatrehana ny voka-dratsin’ny rivodoza Fytia sy Gezani farany teo.

(source: R. Nd. – newsmada.com)