Ramanjaka
Tantara sy Fiarahamonina, Lilin-draza: Antsirabe, Vakinankaratra
Lanonana tao Andriamiloha faritra avaratr’i Betafo ho fahatsiarovana ny faha-320 taonan’ny velirano nataon’ireo Raiamandrenibe tany aloha, izay Taranak’Andriana (Andrianonimanjakatany) avy ao ALASORA mba hanitarana ny Fanjakana sy hanorenana ho mafy orina ny Firaisam-pirenena. Manasongadina ihany koa ireo soatoavina izay mbola tokony ho tazonina eto amin’ny Firenena, hoy ny Printsesy Angelina Ralaitsizafy Andrianamelavahoaka.
Nomarihana tamin’izao lanonana izao koa ny fametrahana ny Princesse Angelina Ralaitsizafy Andrianamelavahoaka ho « vato namelan-kafatr’ireo Razana niandohana« sy ho « Mpanjakan’ny Vakinankaratra ». (?)
Nandritra ny enina taona izao no nisy misandoka ho mpitondra sy mpanjakan’ny Vakinankaratra na Imerina atsimo , hoy ny loham-pianakaviana Andrianaivotiana Fanantenana RAZATOVO . Azy ny fiandrianana noho izy mpandova Rà mivantana araka ny tetiharana notanisainy. Entin’ny olona mitady vola ny hasim-piandrianan’i Vakinankaratra, hoy izy ka mila atsahatra faran’izay haingana