tataro

Lanonana nandraisana ny fiverenan’ny satroboninahitry ny tatarom-piandrianan’ny Mpanjaka Ranavalona III

Publié le Mis à jour le

110 taona katroka taorian’ny nampidirana azy io tany amin’ny Mozean’ny Tafika frantsay ao amin’ny « Hotel des Invalides » any Paris ny faha-5 Novambra 1910 ny namerenana indray ny satroboninahitry ny tatarom-piandrianan’ny Mpanjaka Ranavalona III tato amin’ny Lapan’ny Manjakamiadana tao Anatirova.

Kabary nataon’ny Masoivoho frantsay Christophe Bouchard, sy Ramatoa Lalatiana Andriatongarivo Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina , ary Djakoba Tehindrazanarivelo Minisitry ny Raharaham-bahiny no nanamarika ny lanonana.


Midika inona io? Manazava Atoa Julien Rakotonaivo, Mpandalina Tantara sady Mpikambana ao amin’ny Akademia Malagasy.