Tsy misara-mianakavy
Dr. Joseph Rakotonirainy: Sekretera Jeneralin’ny Birao politika MDRM
Dokotera mpitsabo nify (Dentiste) sy Mpanoratra.
Mpandinika fiarahamonina sy tantara. Mpitahiry ny Tantara sy Fomban-dRazana malagasy. Filôzôfy sy mpikaroka. Manampahaizana manokana momba ny Tetiarana sy ny Tetiandro teto Madagasikara. Mpanandro ihany koa Dokotera, ary mpandala ny Fahendrena Malagasy. Mpikambana feno tao amin’ny Akademia malagasy.

Dokotera Rakotonirainy no namolavola ny ideolojia sy ny soatoavin’ny Antoko sy ny Mpikambana MDRM. Mpikambana mpanorina ny Antoko izy, Sekretera Jeneralin’ny Birao Politika no sady mpampiantrano ny Foibe, 4 Rue Gallieni, Soarano Antananarivo.
Izy no nanoratra ny boky:
– « SATAM-PIRENENA MALAGASY »,
– « NY FAHENDRENA MALAGASY »,
– « PRINCIPES DU FOKONOLONA »,
– « L’AME MALGACHE OU LE FANAHY NO OLONA »
– « NY HIRAN’NY SAMBATRA »
– « SOMBIN-TANTARAN-DRAZANA MALAGASY »
-« DATY MALAZA ANTEMORO ANAKARA na ALI TAWARATH SY MADAGASIKARA »
-« NY MARINA MOMBA NY MDRM », … sns

Dr Rakotonirainy no tompon’ny gazety « KINTAN’NY MARAINA » tamin’ny taona 1945 .
-Teraka tao Ambohidahy, Antananarivo ny 22 Mai 1896. Zanaky Rafaralahizafy (Tsimiamboholahy) sy Razafindrasoa (Tsimahafotsy).
– Nanomboka ny taona 1903, nianatra tao Ambatomitsangana nanohy tao Ambohimanoro, samy Sekoly Anglikana. Nampianatra azy tamy izany Rev. J Radley sy Rev. Randriantavy II (rain-Rakotovao Martin). Niara-nianatra taminy Rev. Caleb Razafimino sy Rev. Maurice Rasamuel.
– Nanohy fianarana tao amy Ecole Officielle tao Faravohitra notohizana tao amy Ecole Régionale any Mantasoa ary fianarana ambony tao amy Ecole Le Myre de Viliers.
– 1919: Nianatra Médecine tao Ankadinandrianan, Antananarivo
– 1923: Assistannt médicale indigène AMI tany Anosibe Anala
– 1927: Médecin AMI tany Manjakandriana
– 1929: Médecin Inspecteur Adjoint teto Antananarivo
– 1930: Médecin de la Croix-Rouge teto Antananarivo
– 1932: Médecin Dentiste tany Tanambao Toamasina
– 1944: Médecin dentiste teo Soarano Antananarivo
– 1945: Filohan’ny Comité Ravoahangy. Komity manohana an’i Dr Joseph Ravoahangy Andrianavalona sy Dr Joseph Raseta ho Deputés de l’Assemblée constituante, hitaky ny fahaleovantena.

Mafy ny ady tamy izany satria ny Pasitera Ravelojaona no nifanandrina taminy, izay notohanan’ny Fitondrana kolonialy.
– 1946: Sekretera Jeneraly MDRM
– 26 juin 1946: Voaheloka higadra Dimy (5) taona noho ny « Raharaha Sabotsy Namehana »
– Filoha mpanorina ny Fikambanana TSIMISARAMIANAKAVY (Trano Koltoraly Malagasy), Ambodivona, Antananarivo.
Nodimandry ny taona 1991.
(Lahatsoratr’i JR Ifalina)
Adihevitra: Fanarenan-kasina ny soatoavina sy Fiarahamonina malagasy
Vahinin’ny fandaharana « ça me dit », Ndao handalina sy handinika tsara ny mila harenina maika:
– ny Printsy Rakotomalala Louis de Gonzague (Trano Kolotoraly malagasy, Grand-Croix de 2ème Classe),
– Dama Mahaleo Razafindraosolo (mpandinika fiaraha-monina, Depiote teo aloha, Mpanakanto),
– Pr. Hugues Rajaonson (Mpampianatra Haiary, Sekretera Jeneraly-na Minisitera teo aloha).
Mpanentana: Heritiana Ny Anjarason, mpanao gazety.