Emergence de Madagascar: tombontsoam-pirenena, « fijery teknika » hoy Holijaona Raboana

Publié le Mis à jour le

« Fifandanjan-kery » hoy kosa ny mpanao politika. Koa inona izany no tena izy? Araho ny fampahatsiahivana tao amin’ny fahitalavitra ny Zoma 23 Jiona 2017.

Fantaro i Holijaona Raboanarijaona

na te hahafantatra ny mpikambana ao amin’ny Plateforme Emergence de Madagascar ao amin’ny Facebook (niorina ny Taona 2013)

 

2 réflexions au sujet de « Emergence de Madagascar: tombontsoam-pirenena, « fijery teknika » hoy Holijaona Raboana »

    Alan Jacques Raboana a dit:
    10 octobre 2019 à 2 h 18 min

    FAHALEOVATENA FENO!
    Ny hatao hoé Manana Fahaleovantena dia manana fahaizana mitantana ara toe-karena, ara oekonomika, ara tsaina, tsy miankina amin’ny firenena iray ary mahavita- tena na ara tsakafo, na ara pitaizana amin’ny kolo- tsaina, na manandratra ny tenim- pirenena Malagasy ho loha laharana amin’ny fanabeazana sy fampianarana ary fitantanana ny raharaham- pirenena any amin’ ny birao- panjakana sy ny tontolon’ny fandraharahana. Mahafehy feno ny raharaham- panjakana tsy miankina amin’ny vahiny, ary manome bahana ny tera- tany Malagasy eo amin’ny sehatra asa tsy miankina amin’ny fanjakana. Manome bahana ny Malagasy amin’ny fananan- tany sy ny arena amban’ny tany eto an- tanindrazana ary tohanan’ ny fanjakana avy amin’ny fanohanana ara pitaovana sy ara- teknika. Mampiofana ny Malagasy ara- teknika sy ara ekonomika arahana famokarana asa mba ahatonga ny Malagasy hitrandraka ny harena hampakarana ny sandam- bola (volamena, nickel, kobalt, platine, fasy mainty sy diamondra kristaline mitovy amin’ ny ao Afrika « Kimberlite », charbon amban’ny tany, mica, quartz, kraoma, sns, sns). Manana Banky mamatsy vola hoan’ny mpamboly, mpiompy, mpandraharaha Malagasy sy ireo tanora Malagasy vao misandratra eo amin’ny sehatra asa maro samihafa. Manana Fahaleovatena handidy sy hanapaka amin’ny asa fampandrosoana aingana ary misy fanaraha- maso akaiky ireo asa ireo mba ny Malagasy no miasa betsaka ao anaty famokaran’asa eto an- tanindrazana. Mpitantana Malagasy no mampiasa ny famokarana asa ary mandidy sy manapaka amin’ny « industrialization » eto Madagasikara hitondra sy hitantana ny indostria rehetra.
    Mandrafitra ny volany avy amin’ny harenany toy ny « platinium » izay vola mateza tsy mety rovitra toy ireny vola taratasy ireny, koa avy amin’izany « money coin » izany no hiaingana ny asa ara toekarena sy sosialy. Vola vaovao misy ny sarin’ny programa nasionaly loha- laharana.
    Misaotra Tompoko!

    J’aime

    Razily Rakoto a dit:
    13 novembre 2019 à 15 h 40 min

    Resaka fandrebirebena izany. Dia hita fa taranaka mpanao politika vinany, sy mpivarotra abobo, satria izay no nampanakarena azy. Iza no tsy hanonofy izany, na ny dondrona sy ny zaza vao minono aza??? Tsotra ihany. Ny fahaleovantena dia ady: ka raha sahy hifanandrina @ herim-pamoretan’ny manjanaka tranainy sy vaovao izay mifandray tendro, dia afaka. Jereo i Shina. Nahavita nanakatona ny varavarany tami’n’ny Banky iraisam-pirenena izy nandritra ny 45 tao ho eo, nefa dia io lasa isan’ny firenena matanjaka io. Ka tongava raha sahy, fa aza manao resa-bazaha eo.

    J’aime

Laisser un commentaire