Tarika R’imbosa: « Haody ry Analamangako »

Publié le Mis à jour le

« Hira kilasikan’Imerina ». Toniny sy Feony: Jean Ratsaramiafara.

Nalaina tamin’ny « R’imbosa, vahinin’ny Anim’Artistes TVM ».

Rodobe: Mimi, Gety, Lidy, Mbosa, Vavah, Geba, Girard.

Mpitendry: Mbosa.

Toniny:

Haody ry Analamangako
Ry Iarivoko, ry Imerina
Ndreto zahay sy ny lokangako
Fa samy mbola tafaverina

Ny lokanga namborahiko
Ny toloko sy fisaonana
No mbola (3) raisiko angatahiko
Iarahabana ity fihaonana

Fantatrao izay nifandaozana
Sanatria tsy fifandirana
Fa nitady fanavaozana
No niniako nandosirana

Taminao no nitarainako
Ny toloko sy ny ngidiny
Resy tosika ny fiainako
Ka nandao (2) anao tsy fidiny

Haody, haody re hidirako
Ry akany niantombohana
Raisonao (3) ny tononkirako
Mba ho solom-panorohana


Vorompotsy miaradia

Laisser un commentaire