Ny Angolan’ny Omaly: Inona moa no ifandrafirafiana
Hira noforonin’i J.J. Tseheno
Toniny:
Inona moa no ifandrafirafiana
Sy hanaovan’izay tsy hitiavana namana
Nahoana ity tany fangirifiriana
Raha solom-piadanana
fa tsy andramandramana [2]
Inona anefa izay andro mandalo
Inona koa no mba vitanao irery ?
Tsy azo atao ve ? Ny mitia fahavalo
Toy izay hiataka sahala ny very
Isika olombelona anie ka mania
Mielina foana , midify de tsy hita
Koa asan’izay tsy mba mifankatia !
Raha ony iray ihany no iarahana mita.
Efa any am-pasana ve vao hivaotra ?
Vovoka izany vao hifankatia ?
Indrisy hoy aho ! Diso aoriana loatra
Koa dieny misy aina amboary ny dia [2]