Resaka manodidina ny « Citoyen français »
TSIMIAMBOHOLAHY OMALY SY ANIO
Guy Rabezato 29 Mai 2020
CITOYEN FRANCAIS (21 Mai 2020)
Mirongatra izay tsy izy amin’izao fotoana izao eto Madagasikara ny fanenjehana ireo “Tia Tanindrazana” mizaka ny Zom-pirenena frantsay na “Citoyen Francais”.Ny mahagaga sy mahatalanjona anefa, dia tsy ireo olona mizaka ny zom-pirenena frantsay hita miharihary fa niray tsikombakomba tamin’ny mpanjanatany sy namadika Tanindrazana no enjehana fa ireo Malagasy nijoro tamin’ny Fitiavan-tanindrazana madio tsy misy pentina indray no atao maty enjika sy iharan’ny ompa tsy misy indrafo ary miafara amin’ny hozona amin’ny taranaka mihitsy izany.
Koa manoloana izany toe-javatra izany, dia indro entinay ampahafantarina antsika ireo Malagasy “Citoyens francais” nijoro tamim-pahasahiana nanohitra ny fanjanahantany.”Tantara velona” hita maso ary natrehan’ny Malagasy manontolo no aseho eto tamin’ny vanim-potoana nifandimby teo amin’ny fiainan’ity Firenena ity, na tamin’ny andro fanjanahantany izany, na mandraka ankehitriny.
Nitraka ireto olona ireto, nijoro ary sahy nisedra ny hery vahiny “fotsy hoditra” nanitsakitsaka ny Zo aman-kasin’ny Vahoaka Malagasy.
Nampiasain’ireto Tia Tanindrazana ireto ho fitaovana nahafaha-manohitra ny fahavalo ny “Citoyennete”. Nihevitra manko ny vazaha tamin’izay fa raha omena io zom-pirenena io ireto Malagasy resahana manaraka ireto dia ho azony atao fitaovana hiarovany ny asa-ratsiny sy ny fanandevozana miharihary ny vahoaka Malagasy iray manontolo. Voafitaka anefa izy ireo.
Ireto avy ary ireo Tia Tanindrazana nanana ny zom-pirenena frantsay nanamarika ny Tantaran’ity Madagasikara ity.
1/- Ralaimongo, citoyen francais izy ary nanambady vazaha.
Membre fondateur ny Parti Communiste francais niaraka tamin-dry Ho Chi Ming tany Frantsa izy tamin’ny taona 1921. Nony niverina taty Madagasikara izy, ka nahita ny asa-ratsin’ny colons vazaha sy ny Fitondrana kolonialy tamin’ny fampijaliana sy ny fanosihosena ny zo aman-kasin’ny mpiray tanindrazana taminy, dia nijoro tamim-pahasahiana nitarika ireo namany nanohitra ny fanjanahantany.Vakio ireo boky aman-gazety mitantara ny tolona nataony raha te-hahalala bebe kokoa ny momba ny fiainany ianao.
2/ MDRM na Mouvement Democratique pour la Renovation de Madagascar.
Tany Paris tamin’ny taona 1946 no niforonany, ary ireto avy ireo olona namorona izany antoko malaza izany :
– Dokotera Ravoahangy Andrianavalona, Depute
– William Rabemananjara , ecrivain, citoyen francais
– Rabialahy, avocat, citoyen francais ary manambady vazaha
– Dokotera Rakoto Ratsimamaga, citoyen francais, ary nanambady vazaha taty aoriana.
Efa betsaka loatra ny voalaza momba ny Dokotera Rakoto Ratsimamanga, fa ity kosa mba misy zavatra tiako havoitra, satria mampiharihary loatra ny politika fiatsambelatsihy ataon’ny frantsay mazana. Fantatry ny frantsay manko fa Printsy malagasy mananjo handova fanjakana izy, koa dia notadiavin’ny frantsay izay hevitra hanakanana azy tsy honga amin’izany. Koa satria ary fa fantatry ny frantsay miharihary fa fahavalo hita maso ity Printsy ity, dia sarotra aminy loatra ny hamono mahafaty azy, noho ny fisian’ilay vonona olona tsy an-drariny sy nifono habibiana nihatra tamin’ny raibeny, ny Printsy Ratsimamanga, notifirina niaraka tamin’ny Jeneraly Rainandriamampandry tamin’ny taona 1896. Koa raha manao izany ry zareo, dia ho meloka eo anatrehan’ny hevi-bahoaka frantsay sy iraisam-pirenena.Lalana hafa mifanohitra amin’izay no nofidiany. Nomena « Bourse d’etude » hanohy fianarana any Frantsa i Rakoto Ratsimamanga. Fa iza , hoy ianao, no nanome izany bourse izany ? Tsy iza fa Cayla (ialako tsiny fa tsy tadidiko ny fanoratana ny anarany) ilay governora jeneraly tsy mifaditrovana nampijaly sy nampahory ny gasy indrindra.Ity vazaha ity no namorona ny Smotig na ilay tetikasa namoretana sy nampahoriana ny vahoaka amin’ny asa anterivozona tsy andraizan-karama.Io tetikasa io ohatra ny fanamboarana ny lalamby mampitohy an’i Fianarantsoa sy Manakara. Marobe tsy tambo isaina ny Malagasy nitondra faisana sy namoy ny ainy tamin’izany Smotig izany.
Dia nihevitra tamin’izay tetika izay ny vazaha fa hangina sy tsy sahy hanohitra intsony ity Printsy ity, ary hankasitraka ny “asa soa” nataon’ny mpanjanatany azy. Tsia no valiny. Nitarika ireo mpianatra Malagasy tany Frantsa tao amin’ny fikambanana AEOM na Association des Etudiants d’Origine Malgache nandritra ny taona maro ny tenany. Tao anatin’io fikambanana io no namolavolana ara-potokevitra ireo Intellectuels Tia Tanindrazana. Avy eo, dia izy mihitsy no anisan’ny tompokevitra amin’n fananganana ny MDRM.Dia fantatrao ny tohiny.
3/- Ny General de Division Gabriel Ramanantsoa, citoyen francais ary nanambady vazaha.
Olona efa novolavolain’ny vazaha hatry ny fony kely izy, ary nianatra tamin’ny sekoly fanomanana miaramila natao hoe « Enfant de Troupe ». Efa nisy ny fitantarana maro momba ny tantaram-piainany teto ka tsy iverenako intsony.
Fa ny tiana hasongadina etoana dia ny asa makadiry vitany teto amin’ny Firenena nandritra ny telo taona nitondrany ny Tany sy ny Fanjakana. Na dia atao hoe « olon’ny vazaha zato isan-jato » aza izy, araka ireo mason-tsivana voatsiahy ery ambony dia tsy ampisalasalana kosa ary ampahasahiana tanteraka no anambarana fa ny Jeneraly Ramanantsoa no nahavita be indrindra tamin’ity Tanindrazana ity ary nampiseho an-karihary ny Fitiavantanindrazana madio sy tsy misy fangarony teto Madagasikara nandritra iny taonjato faha-20 lasa iny.
Rahefa nasandratry ny vahoaka hitondra ny Tany sy ny Fanjakana ny Jeneraly Ramanatsoa taorian’ny fihetseham-bahoaka tamin’ny mai 1972, dia tsy nisalasala nandroaka tamin-pahasahiana ny Tafika frantsay nitoby sy namahatra teto Madagasikara nandritra ny fanjanahantany ka hatramin’ny taona 1973. Tsy azon’ny olona an-tsaina tsy niaina tamin’izany fotoana izany ny fipetrahan’ireo andian-tafika frantsay teto. Miaramila vazaha nahatratra 8.000 lahy no nitoetra maharitra teto Madagasikara. Miaramila vazaha ranjanana sy mirongy fiadiana mahery vaika no miriaria isan’andro isan’alina mampihorohoro ny olona eran’ny tanana.Parachutistes teny Ivato, miaramila an-tanety teny Soanierana sy Fiadanana, miaramila ny tafika an’habakabaka teo Ambohidahy ampitan’ny fanaovana tennis Acsa,ary ny tafika andranomasina tany Diego Suarez, toby famaharana andranomasina lehibe indrindra an’ny frantsay ivelan’i Frantsa, ary nentina niambina ny ranomasimbe indiana.Ny General Bigeard, ilay miaramila masiakabe tany Indochine (nandritra ny ady tany Vietnam, Cambodge, Laos tamin’ny ady tany Dien Ben Phu 1954) sy tany Algerie (1954-1962) no komandy nifehy ireo miaramila vazaha ireo. Jeneraly leo laza tamin’ny famoretana sy fampijaliana olona tany Algerie io miaramila io.Mifankafantatra tsara izy sy ny jeneraly Ramanantsoa, satria samy tany Indochine.
Tsy nana-tahotra akory ny Jeneraly Ramanantsoa fa dia nandroaka tsy ampihambahamana ny miaramila frantsay rehetra nitoby teto. Izany no tena Fitiavan-tanindrazana madio sy mangarangarana. Mbola ny Jeneraly Ramanatsoa hatrany no nandrava ny “Accord de Cooperation” nosoniavina teo amin’I Frantsa sy Madagasikara tamin’ny 2 avril 1960 talohan’ny nanomezana ny fahaleovantena, ary nosoloina « Fifanekena vaovao » teo amin’ny firenena roa tonta mitovy zo.Mbola izy no nanaisotra ny vola malagasy tamin’ny vahohon’ny Tresor frantsay ary nananganana ny Banque Centrale de Madagascar.
Ngeza dia ngeza tsy takatry ny saina noeritreretina mihitsy ny Asa vitan’ity Jeneraly Ramanantsoa ity tamin’ny Tanindrazana. Nataon’ny sasany moa ny asa ratsy rehetra nanaovana « sabotages » isan-karazany hanalana azy teo amin’ny fitantanana ny Tany sy ny Firenena, ary nisy mihitsy aza ny fikasana hamono azy, ary ny niafarany moa dia iny vonona olona nihatra tamin’ny Colonel Ratsimandrava iny.
-4/ Ranaivo Jules, citoyen francais, inspecteur de police. Tsy nahoan-dRanaivo Jules izany asany izany, fa tsy nisalasala izy nanatevin-daharana ny Tolom-bahoaka ka niditra ho mpikambana tao amin’ny MDRM, ary mpitarika mihitsy tao amin’ny Birao Politika teto an-toerana. Mpikambana mavitrika sy mafana fo raha ity olona ity, ary namorona gazety samihafa nentina nanentanana ny fitiavantanindrazana teo amin’ny vahoaka. Nidirany an-tranomaizina matetika ny lahatsoratra navoakany gazety, ary nitarika fanafoanana ireo gazetiny, dia avy eo mamorona gazety hafa indray, dia migadra indray.Izy no mpanao gazety sakaizan’ny tranomaizina indrindra teto Madagasikara. Voarohirohy tamin’ny raharaha 1947 i Ranaivo Jules ary nohelohana higadra sy hiasa an-terivozona folo taona. Novotsorana tamin’ny Amnistia Faobe izy.
-5/ Lieutnant Randriamaromanana, citoyen francais.
Miaramila manamboninahitra tao amin’ny tafika frantsay ny Lieutnant Randriamaromanana.Voarohirohy tamin’ny raharaha 1947 izy, nohelohina ho faty, ary notifirina tamin’ny 1948.Efa betsaka ny soratra mikasika ny tantarany, ka tsy andaniana andro resahana eto indray.
-6/ Rakotonirina Stanislas –citoyen francais.
Candidat ny MDRM tamin’ny fifidianana Conseil provincial nokasaina hatao ny avril 1947 izy, saingy tsy tanteraka noho ny tabataba.Voarohirohy tamin’ny raharaha 1947 izy, niharan’ny fampijaliana, nigadra ary afaka tamin’ny amnistie faobe.Voafidy ho Maire Antananarivo renivohitra voalohany izy, ary nitondra ny tanana nandritra ny 4 taona talohan’ny fahaleovantena.
-7/ Rajaonah Andrianjaka, Citoyen francais.
Mpinamana mifampihinana ny manta sy ny masaka izahay roalahy (ara-bakiteny sy ara-potokevitra), olona akaiky azy ny tenanay, ary azo lazaina tsy ampihambahambana fa nahafahako nahafantatra zavatra betsaka sy tsiambaratelo maro ny fiarahanay roalahy. Koa araoraotiko ity firesahana ny « Citoyen francais » ity hilazalazako ny momba iny olona iny.
Toy izao ary ny tantaran’izany Lehilehy izany, raha fintinina:
Teraka tamin’ny taona 1942 I Rajaonah Andrianjaka.Rajaonah no rainy, izay zanaka nateraky I Rafaralahy, 15 voninahitra, governoran’Ambositra tamin’ny andron-dRanavalona faha-3. Maty novonoin’ny mpanjanatany tamin’ny fahatongavany teto Madagasikara io governora io, ary tsy hita faty. Marihana fa marobe ireo governora sy mpanao fanjakana Malagasy no nenjehana sy novonoina tamin’ireny fotoana ireny, ary ny betsaka taminy no tsy hita faty. Tany Ambositra io Rajaonah rainy io no teraka, ary ny Dokotera Rajaonah, vinantolahin-dRainilaiarivony, fony nigadra sesitany tany Ambositra no nampiteraka azy. Koa ho mariky ny hafaliany sy ho mari-pahatsiarovana , dia nation-dRagova Rajaonah ny anaran-janany hanahaka ny Dokotera Rajaonah. Andriamasinavalona no firazanan-dry zareo, ary zanakolomirahavavy ity Rajaonah rainy ity sy ny Dokotera Ravoahangy Andrianavalona. Mandray ila amin’Andriantsolo, mpanjaka fahiny tany Andramasina ry zareo, ary amin’ny ilany dia taranaka mivantana amin-dRadama tamin’ny alalan-dRaketaka, zanaka vavitokan-dRadama.
Mpandraharaha amin’ny harena ankibon’ny tany I Rajaonah-rainy, ary nanana toby fitrandrahana volamena tamin’ny andron’ny fanjanahantany.Mpikambana mafana fo sy mavitrika teo anivon’ny MDRM I Rajaonah-rainy, ary izy no mpamatsy vola lehibe indrindra tamin’ny fampandehana-draharaha ny fikambanana MDRM.Izy no namatsy vola ny fifidianana in-telo miantoana ka nahavoafidy tsy tapaka ny Dokotera Ravoahangy ho depute.Voarohirohy tamin’ny raharaha 1947 moa ity Rajaonah-rainy ity, ary voaheloka hiasa anterivozona sy higadra 10 taona antranomaizina. Afaka tamin’ny Amnistia faobe tato aoriana.
Fa hiverina amin’I Rajaonah Aandrianjaka isika : Nianatra tao amin’ny kolejy Rasalama Andravoahangy sy College Saint Michel Amparibe izy.Avy eo, dia nandeha nanohy nianatra tany Frantsa, ary ny lalam-piofanana Toekarena no nisafidiany. Nofidian’ny mpianatra ho filoha mpitarika ny AEOM izy (Efa voalazantsika tary aloha io fikambanana io) nandritra ny fotoana maro.Tsiahivina fa ny Professeur Rakoto Ratsimamaanga sy ny Pasteur Andriamanjato dia samy efa nitarika io fikambanana io. Io fikambanana io tokoa manko no namolavola ny ankabetsahan’ireo olomangam-pirenenana Malagasy ho amin’ny fitiavan-tanindrazana sy ny fitakiana ny fahaleovantenam-pirenena tany Frantsa tany, ary nitohy teto Maadagasikara.
Roapolo taona mahery Rajaonah Andrianjaka no nitoetra tany Frantsa, ary nandritra izany fotoana izany no nahazoany sy nisitrahany ny Zom-pirenena frantsay (citoynnete francaise). Nanana ny antony manokana azy samy irery amin’ izany, ka tsy idirako firy mihitsy.
I Faramananjandry, dokotera niasa tao amin’ny “Medecins sans Fronieres” avy eo “Medecins du Monde » no vadiny.Nandray anjara mavitrika tamin’ny famonjena sy fitsaboana ireo olona tratry ny vonona olona mahatsiravina “Genocide” tany Rwanda tamin’ny taona 1994 ny Dokotera Fara.
Nony tafaverina teto an-tanindrazana Rajaonah Andriaanjaka, dia nanangana niaraka tamin’ireto olona ireto ny fikambanana OTRIKAFO:
-1/ Dokotera Rakotomalala Manan’Ignace
-2/ Rakotondrasoava Georges, mpanao gazety, tompon’ny gazety Telonohorefy
-3/ Professeur Rajaonarison Edouard, historien, mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Universite
-4/ Professeur Mox Ramandimbilahatra, historien, mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Universite
-5/ Dokotera Fara voalaza eo ambony.
Mpitolona tena Tia-Tanindrazana i Rajaonah Aandrianjaka, ary tsy niafina tamin’ny olona izany, fa dia hita niharihary teto, hitam-poko hitam-pirenena.
Efa niaraka in-telo misesy tany Mahajanga izahay nampiely ny hevitry ny Otrikafo niaraka tamin’ny Professeur Rajaonarison voalaza ery ambony sy ny Professeur Ramanana, physicien, mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Universite. Efa nandeha in-telo miantoana tany Antsirabe nampiely hevitra koa izahay niaraka tamin-dRakotondrasoava mpanao gazety. Nihaona sy nifanakalo hevitra maharitra tamin’ny Monseigneur Archeveque an’Antsirabe izahay, ary nanao fanazavan-kevitra tao amin’ny Radio Haja. Nitety toerana maro tany amin’ny faritry Vakinankaratra izahay tamin’izany dianay tany Antsirabe izany. Efa nahavita fitsidihana imbetsaka tany amin’ny faritany Toamasina koa I Rajaonah Andrianjaka sy ny Prof.Rajaonarison ary ny Prof.Ramanana voalaza ery ambony.
Olona manana fitiavana ny mpiray tanindrazana i Rajaonah Andrianjaka ary manana toetra hantra olona, ka matetika mihitsy izy no mahavatra mandefa sakafo ho an’ny olona tratry ny “Kere” any atsimo.Ambonin’izany, dia nandefa volabe avy any ampaosiny ho fanampiana ny olona any Atsimo izy, ary amin’ny fony sy fitiavana tanteraka tokoa no anaovany izany.nanatr-maso izany fihetsika rehetra izany ny tenanay.
Fa ahoana marina ny momba ity “citoyen francais » nanenjehana azy ity ?
Nony efa tena lasa lavitra ny tolona niraisanay, ary efa nanomboka niorim-paka teo amin’ny olona ny Tolona nataon’ny Otrikafo, dia voatery nanambara taminay (vitsivitsy aloha) ny fananany ny sata ny zom-pirenena frantsay. Tsy dia nampihotsona ny tenanay manokana ny fahafantarana izany, satria tsy vao izy no fantatray fa citoyen francais tamin’ireo mpitolona Tia Tanindrazana teto amin’ny Firenena. Matetika dia miresaka manokana ny fizotry ny raharaham-pirenena izahay roalahy. Fa nony niely ity resakka momba ny maha-citoyen francais azy ity, dia sahiran-tsaina fatratra izy, ary nitambesatra taminy ny fieritreretana izany. Matetika izy no niteny tamiko ny fikasany hiala tsy ho « Citoyen francais » intsony noho ny fanenjehana an-gazety sesilany ataon’ny tsy tia azy.Tsy nitovy hevitra taminy anefa ny tenanay, ary nankahery azy mandrakariva ny amin’ny tokony hijanonany amin’izany »Sata » izany, noho ny antony maro. Tato aoriana anefa, dia iny efa niarahan’ny be sy ny maro nahita iny ny fandrovitany teo anoloan’ny Ambassade de France teo Ambatomena ny karapanondro naha-citoyen francais azy.
Maty Rajaonah ary milevina eny amin’ny fasandrazany eny Antsahadinta. Maty tsy mba misy mpiresaka Mampalahelo!
Efa firesaky ny Pasitera matetika taminay ity fomba ratsin’ny vahoaka Malagasy ity, tsy mba mahay mankasitraka ny tolona nataon’ny olona tena Tia Tanindrazana, namono tena , tsy nikely soroka, tsy niroa fo, tsy nisatry fanahy, nandany mondron-kery sy fahaizana ary ron-doha, nandany vola aman-karena, nanadino vady aman-janaka ,niaritra ny mafy sy ny mangidy, nitondra faisana sy nitondra takaitra, ny sasany aza novonona Hasina amin’ny maha-olombelona mihitsy nasitrika tao anaty barika misy maloto ny lohany, Tsy fantatry ny olona izany, fa ny fanenjehana sy ny faniratsirana sy ny ompa sy ny hozona no atao azy ireo. Nalahelo mafy mihitsy ny Pasitera rahefa miteny izany, kanefa atao ahoana , fa izay ilay vahoaka Malagasy !
Natao teto Antananarivo ny 21 mai 2020.
Narindran-dRandria
Mpandalina Filozofia sy Tantara ary Politika.
