17 Jolay 1896: faha-125 Taona nahafatesan-dRainilaiarivony
FOMBA FANAO SY KOLONTSAINA PÔLITIKA NAMOLAVOLA ANTSIKA ARA-TANTARA
Fakàna sy fiarovana Fitondrana: Antony nampateza an-dRAINILAIARIVONY
FAMINTINANA : Ho an’ireo tsy hahavaky manontolo dia hiresaka farany momba an-dRanavalona I sy ny famonoana olona isika eto, hampitovy kely izay niseho tany amin’ny firenena sasany.
Hiresaka koa momba an-dRainilaiarivony izay feno 125 taona anio 17 jolay 2021 no nahafatesany an-tsesitany tany Alzeria. Fomba fanao sy kolontsaina pôlitika moa no lohahevitra eto dia hijanona amin’izay isika fa amin’ny fotoana hafa ny resaka sisa (toekarena, sôsialy…).
