Paraina Auguste: « nisy ota fady tao Atsimo-Atsinanana » hoy ny ambasadaoro teo aloha
Zandrin’ny Loholon’i Madagasikara, Ndremanjary Jean André (fantatra amin’ny fiantsoana hoe « Iaban’i Kemba« , natolotry ny Amiraly Didier Ratsiraka) i Paraina Auguste izay Masoivohon’ny Firenena malagasy tany ivelany efa am-polotaonany, izay vao nipetraka indray eto an-toerana.
Nahaliana ny maro arak’izany ny nanaraka ny fanehoan-keviny amin’ny « maso vao » tao amin’ity fandaharana ity, mikasika ny fiainan’ny vahoaka malagasy sy ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny.