Lava dinika malain-kanan-dratsy: Taom-baovao malagasy

Miverina isan-taona, isaky ny «taom-baovao» moa ity adi-hevitra ity ka nofongariko indray ny iray tamin’ireo lahatsoratra efa nataoko taloha : «Aleo manontanintany foana toy izay manaotao foana» (05 martsa 2019). Telo taona lasa dia nentiko tao ny fanazavana nomen’ny Taranaka Ambohidrabiby sy ny Trano Koltoraly, dia ny hoe amin’ny vanimpotoana iakaran’ny vokatra, fararano iotazana, mahavoky vahoaka, no mifampiarahaba falifaly, satria ny lohataona no vanimpotoana indray kosa hiasana ny tanimbary ary hamafazana.
Dia mbola nitohy tahaka izao ilay lahatsoratra : «Amin’ny fiteny taloha dia misy ny hoe «fararanom-bari-aloha» sy ny «fararanom-bakiambiaty». Hoy ny Firaketana (I, 300 sy 301): «AMBIATY : Rehefa mivelatra ny voniny (volana août) dia fotoana famafazan-ketsa, atao hoe vakiambiaty aorian’ny varialoha izay afafy aoriana kelin’ny fararanom-bakiambiaty volana mai (…) miomana hamafy ny vary vakiambiaty faramparan’ny volana juillet». Misy oha-pitenena ihany koa, «Erika mamonto ambiaty» : ilay ranonorana mikija amin’ny tsinam-bolana août, amin’ny fanetsam-barialoha sy ny fiomanana amin’ny famafazan-ketsam-bary vakiambiaty». Hoy ny Rakibolana (Régis Rajemisa-Raolison, 1985) : «VARY VAKY AMBIATY, vary afafy amin’ny fivelaran’ny vonin’ny ambiaty, izany hoe amin’ny volana septambra, mifanohitra amin’ny atao hoe VARY ALOHA izay afafy amin’ny volana avrily sy mey». Raha fehezina avokoa izay voaangona tamin’ny 1885 (Richardson), 1888 (Abinal-Malzac), 1939 (Firaketana) ary 1985 (Rakibolana) dia misy fararanom-bary roa izany eto Imerina satria mamafy sy manetsa indroa.
Marihina fa «Ny Gazety Malagasy» dia nitatitra ny «fifaliana noho ny fararano», izay natao tao Anatirova tamin’ny alahady 23 adalo (15 mey) 1887.
Ka izay indrindra no efa nampametra-panontaniana, telo taona lasa : «Fararanom-bari-aloha, Fararanom-bary vakiambiaty, azoko ekana tsara mihitsy ny fampifanojona ny zavatra rehetra atao amin’ny toe-tany sy ny toetrandro misy ny Nosintsika. Noho izany indrindra ary no mahavelom-panontaniana ahy: raha fararano roa sosona, moa ve izany taombaovao roa sosona ?»
Ankehitriny, telo taona aty aoriana, toa mainka te hirona amin’izany tokoa aho : maninona moa raha misy taom-baovao Fararano sy taom-baovao Lohataona, satria angaha moa tsy maintsy ho roambinifolo volana ny taona iray ? Raha ny jeografia aloha, dia mifanalavitra ihany (1500 km) ny toetr’andro any Antseranana sy any Anosy. Mitovy ve ny fotoam-pambolena amin’ny faritra rehetra manerana ny Nosy sa voatery manaraka ny toetr’andro isaky ny faritra avy ? Rehefa inona no «asara» aty, rehefa inona no «asotry» any an-kafa ? Atsimo, andrefana, avaratra, atsinanana, afovoan-tany : tsy misy idiran’ny finoana na sikidy, fa jeografia sy toetr’andro, rivotra sy masoandro.
Raha ny fomba napetraky ny Mpanjaka nifandimby mantsy mbola hampisaraka : «na lava resaka handany andro, na lava dinika malain-kanan-dratsy». Raha ny eto Imerina fotsiny, fomba hafa tamin’ny andron’ny Vazimba (asara, asotry, faosa) izay nialoha ny Zafiraminia (alakaosy, alahamady, adimizana). Mbola fomba hafa indray koa nanomboka tamin-dRalambo izay «nanara-bitana» ka namindra ny taom-baovao ho amin’ny alahamady raha alakaosy izany talohany. Ireo Mpanjakavavy roa farany ihany koa, Ranavalona II sy Ranavalona III, dia namindra ny Fandroana tamin’ny fitsingerenenan’ny andro nahaterahany araka ny kalendrie gregoriana.
Ny 22 novambra, fitsingerenan’ny andro nahaterahandRazafindrahety ary fitsingerenan’ny andro nisehoan’ izy Ranavalona III no sady nataony Fandroana : 16 alahasaty 1885, 27 alahasaty 1886, 8 asombola 1887. Ny voalohan’ny alahamady dia nifindrafindra koa teo amin’ny kalendrie gregoriana : 7 mey 1826, 12 jolay 1885, 1 janoary 1887. Ary ny taom-baovao (1 janoary) gregoriana dia tsy nifanojo tamin’ny kalendrie ara-bolana zafiraminia : Alakamisy 16 asombola 1885 ; Zoma 27 asombola 1886 ; Asabotsy 8 adimizana 1887 ; Alahady 19 adimizana 1888. Ireo datin’andro rehetra ireo dia hita avokoa ao amin’ny «Ny Gazety Malagasy»: «notontaina tamy ny Presin’ny Mpanjaka ny Madagaskara ao Avara-dRova (sy Nanjakana)».
Izay no manahirana mindrana ny voambolan’ny kalendrie iray anefa ho ampisaina amin’ny fanisana iray hafa tanteraka: ny «taom-bolana» 354 andro mantsy tsy mifanitsy amin’ny «taona masoandro» 365 andro.
Ny anaram-bolana betsimisaraka sy merina (hatramin’ny Zafiraminia) dia efa nisy nanohatra : atsiha (alahamady), volasira (adaoro), fosa (adizaoza), maka (asorotany), tsiahia (alahasaty), lakasay (asombola), sakady (adimizana), volambita (alakarabo), saramantsina (alakaosy), saramanitra (adijady), vahavaratra (adalo), asotry (alohotsy/volampadina).
Ny alahamady sy alakaosy dia anarana nentin’ny Indonesiana Zafiraminia taty aoriana. Talohan’izany, kalendrie sanskrity araka ny fiheverana azy ve ny fanisan-taona tamin’ny andron’ireo Indonesiana-Vazimba novantanin’ny Zafiraminia tafakatra afovoan-tany tamin’ny taonjato faha-13 ? Tsetsatsetra tsy aritra fa ny «Yug-adi», taom-baovao hindu tany India (Karnataka, Andhra Pradesh, Telangana), firenena hindu lehibe indrindra maneran-tany, dia nifanojo tanteraka tamin’ny «taom-baovao fararano» teo : 2 aprily 2022.
Chronique de VANF – 07 Avril 2022
Taom-baovao Fararano
Tahaka ny isan-taona, mandra-pandalinana bebe kokoa ny Tantara nialoha izay voasoratra araka ny lovantsofina tratra farany, dia mbola miteraka resabe aloha ny «Taombaovao malagasy».
Raha ny fiheverako, dia «Hindou» nanasina ny omby (jamoka hono no anarany taloha) ireo talohan-dRalambo: ny anarana «Ra-Lambo», amin’ny teny indoneziana, dia «Ingahy-omby».
Nanana fanisana, na kalendrie, hafa ankoatra izay nampidirina teto Imerina tamin’ny taonjato faha-17 ireny olona ireny. Fanontaniana tsara apetraka : inona no talohan’ny taonjato faha-17 sy ilay ndeha ho antsoiko hoe «Fanisan-taona Zafiraminia», dia ny alahamady sy ny sisa izany, niara-dia tamin’ny alatsinainy, talata, sy ny sisa ihany koa ?
«Fanandroana» tahaka ny ahoana nialoha ny taonjato faha-17 ? Ary, raha «hindou» marina ireny Razambe ireny, tsy ho nanao sorona omby velively, fa angamba akoholahy na lambo (kisoa dia) na biby hafa. Inona no fady fahagola, ankoatra ny fady vaovao nanomboka taonjato faha-17 ?
Rehefa tafiditra ny fomba semitika (itambaran’ny Jiosy sy ny Arabo) dia fanisana manaraka ny volana no narahina (taona iray = 354 andro). Tany India kosa, efa tamin’ny taona 57 talohan’ny Jesosy hono no novaina hanaraka ny masoandro (taona iray = 365 andro) ny kalendrie sanskrity, raha ny fandalinana nataon’i Jean-Claude Hébert («Recherches sur l’histoire et la civilisation malgaches», Bulletin de Madagascar, n°191, avril 1962, pp.339-352). Indro ezahiko fintinina eto izany lahatsoratra izany.
Ny faritra Avaratra-Atsinanan’i Madagasikara dia nahazo loko tamin’ny Antalaotra hany ka amin’ny teny antakarana no tena niova betsaka indrindra ny fanisantaona tena fahagola. Tahaka izany ihany koa amin’ny tenin’ny SakalavaAvaratra.
Ireo Indoneziana tody farany indrindra avy any Atsinanana ka tafapaka hatraty Afovoan-tany (Imerina sy Betsileo) dia ahitana ny teny «faosa», «asotry» ary «asaramanta» sy «asarabe» anatin’ny kalendrie isam-bolana.
Ireo Indoneziana hafa, tonga teto Madagasikara nialoha ireo (tondroina hoe «proto-Malgaches», Konka zokiny), dia tsy nampiasa ny «faosy» sy «asotry» tamin’ny anarambolana saingy nampiasa kosa ny «asara» sy «asotry» ary «faosa» rehefa nanondro vanin-taona. Lova tena konka tamin’ny Razambe Sanskrity-Indoneziana ireo teny ireo, izay hita any amin’ny Sakalava, Bara, Vezo ary tamin’ny Vazimba.
Ny tena mahaliana dia ampahany tamin’ny kalendrie sanskrity ihany no hain’ireo Razambe ireo, satria voambolana telo no voatanany ary izay indray aza niantsoany ny vanintaona : asara, asotry, faosa.
Ny Indoneziana tato afara («deutéro-Malgaches», Konka zandriny) dia nahalala ny volana roambinifolo tamin’ny kalendrie sanskrity na dia efa niova aza ny fanononany azy. Tsy tena «hindu» tanteraka izy ireo, na dia nahazo loko taminy aza.
Ny tonon-taona «asara» dia desambra-janoary-febroary. Ny volana «asara» kosa dia aogositra-septambra. Ny vanintaona «asotry» dia jona-jolay-aogositra, fa ny volana «asotry» dia oktobra-novambra. Ny fizaran-taona «faosa» dia septambra-oktobra fa ny volana «faosa» dia janoaryfebroary.
Eto Madagasikara, satria izay no toe-tany mandrafitra ny toetr’andro sy ny taom-pambolena sy fiotazana, dia rehefa «asara» no avy ny orana, ary amin’izany no fambolena ny «vary asara». Ny «asotry» dia mifandraika amin’ny ririnina sy ny «vary asotry». «Faosa» kosa no fiakaran’ny tsirin’ain’ny zavamaniry amin’ny vanin-taona lohataona.
Fararano isika, izao volana aprily izao, lazain’ny Rakibolana hoe «fotoana fahavokaran’ny ankabeazan’ny hazo fihinam-boa ary fiakaran’ny vary vakiambiaty». Fanatitra ho «santa-bary» ve izany fahagola ?
Fararano tokoa isika raha mbola mahita ny fodilahimena aho ao ala-trano ao. Izany rahateo no voarakitry ny Hainteny: «longoko aza rafody, mba hijakiako raha fararano».
Ho famaranana, sady fizarana, sombiny tamin’ny soratra navelan-dRabisaona izay niara-dia tamin’ny Printsy Ramahatra hianavaratra. Ny talata 22 oktobra 1895 (5 alakarabo) no nigadona tao Toamasina raha niala Antananarivo ny 16 oktobra (29 adimizana), dia izay mbola nitohy hatrany Antseranana (28 oktobra), hamaritra miaraka amin’ny Vazaha ny tany izay ho lasa «colonie» frantsay.
Tany an-toerana Rabisaona no nanangona «Dictionnaire Malagasy sy Tankarana, nalaina tamin-dRalaza 10 Vtra, Zanak’Andrianan’ny Sakalava». Ka toy izao ny anarambolana : fisamasay (io no mitovy amin’ny alahamady), fisabe, vita, sakave, lôntsoa, zaotso, taroko, kinjamalinika, faosa, fampandro, fanempoka, menalio.
Mbola maro ny fandinihina azo atao miainga amin’ny boky ahitana ny Tantara fahiny isam-poko : indrindra any amin’ireo Foko hafa ankoatra ny Merina sy ny Antemoro mbola naha-tahiry ara-lovantsofina ny kalendrie konka indrindra fahagolan-tany.-
Chronique – 04 Avril 2022)