lohataona
Taombaovao moa tsy Lohataona ?
Miendri-barahina ny manga. Mivolon-draozy tanora ny paiso. Mitarehim-bolamena ny laoranjy. Mangilohilo ny voaloboka. Mihodi-bola ny paoma. Mirara-potsiny ny rotra. Mamerovero ny mananasy. Midorehitra ny paisom-bazaha. Hosena foana ny voan’aviavy. Mivesatra voa toa rojo varahina mirozaroza ny tahom-bary. Masaka ny vari-vakiambiaty. Fararano ny andro.
Diam-penin’i Janus io, isan’ireo “Lahatsoratra Voafantina” nangonin’i Prosper Rajaobelina (1913-1975) tamin’ny 1949. Ny tombony mampiavaka ny “Lahatsoratra Voafantina” amin’ny “Takelaka Notsongaina” (Siméon Rajaona, 1961 sy 1963) dia ireo Fanazavan-teny nataon’i Gabriel Rajonah (izay Tonian’ny Firaketana sy Fiainana tamin’izany) manatevina fahalalana ireo voambolana tsy mahazatra firy intsony.
Mangilohilo : malama sady mangirana indrindra raha mainty na manopy mainty
Mihodi-bola : mivolom-bolamena nefa somary mavoantitra
Midorehitra : mena mangatrakatraka, mena mivaivay
Mirozaroza : miraviravy nefa miromborombo betsaka, mihantokantona betsaka
Fa ny fanazavana ny “Vari-vakiambiaty” no tena tiako nahatongavana : “Vary ambolena aorian’ny varialoha, eo amin’ny famonian’ny ambiaty, eo amin’ny tanimbary tsy azon-dranovelona, fa miandry ny ranonorana amin’ny fahavaratra. Afafy amin’ny lohataona izy (septembre, octobre). Dia aketsa amin’ny fiandohan’ny fahavaratra (novembre, décembre) ary jinjaina amin’ny tena fararano (avril-mai).
Izany voatanisa izany dia noho ny toe-tany sy ny toetr’andro eto. Misy ako amin’ny toetr’andro io “tropique du Capricorne” mandika ny tapany atsimon’ny Nosy io. Misy fiantraika amin’ny toetr’andro eto ny naha lavidavitra kokoa an’ny “équateur” ny tendro avaratr’i Madagasikara. Mandidy ny orana sy ny mari-pana ny maha anivon-tany akaiky havoana sy tendrombohitra noho ny hoe amorontsiraka mitovy tantana amin’ny ranomasina.
Lava dinika malain-kanan-dratsy: Taom-baovao malagasy

Miverina isan-taona, isaky ny «taom-baovao» moa ity adi-hevitra ity ka nofongariko indray ny iray tamin’ireo lahatsoratra efa nataoko taloha : «Aleo manontanintany foana toy izay manaotao foana» (05 martsa 2019). Telo taona lasa dia nentiko tao ny fanazavana nomen’ny Taranaka Ambohidrabiby sy ny Trano Koltoraly, dia ny hoe amin’ny vanimpotoana iakaran’ny vokatra, fararano iotazana, mahavoky vahoaka, no mifampiarahaba falifaly, satria ny lohataona no vanimpotoana indray kosa hiasana ny tanimbary ary hamafazana.
Dia mbola nitohy tahaka izao ilay lahatsoratra : «Amin’ny fiteny taloha dia misy ny hoe «fararanom-bari-aloha» sy ny «fararanom-bakiambiaty». Hoy ny Firaketana (I, 300 sy 301): «AMBIATY : Rehefa mivelatra ny voniny (volana août) dia fotoana famafazan-ketsa, atao hoe vakiambiaty aorian’ny varialoha izay afafy aoriana kelin’ny fararanom-bakiambiaty volana mai (…) miomana hamafy ny vary vakiambiaty faramparan’ny volana juillet». Misy oha-pitenena ihany koa, «Erika mamonto ambiaty» : ilay ranonorana mikija amin’ny tsinam-bolana août, amin’ny fanetsam-barialoha sy ny fiomanana amin’ny famafazan-ketsam-bary vakiambiaty». Hoy ny Rakibolana (Régis Rajemisa-Raolison, 1985) : «VARY VAKY AMBIATY, vary afafy amin’ny fivelaran’ny vonin’ny ambiaty, izany hoe amin’ny volana septambra, mifanohitra amin’ny atao hoe VARY ALOHA izay afafy amin’ny volana avrily sy mey». Raha fehezina avokoa izay voaangona tamin’ny 1885 (Richardson), 1888 (Abinal-Malzac), 1939 (Firaketana) ary 1985 (Rakibolana) dia misy fararanom-bary roa izany eto Imerina satria mamafy sy manetsa indroa.
Marihina fa «Ny Gazety Malagasy» dia nitatitra ny «fifaliana noho ny fararano», izay natao tao Anatirova tamin’ny alahady 23 adalo (15 mey) 1887.
Ka izay indrindra no efa nampametra-panontaniana, telo taona lasa : «Fararanom-bari-aloha, Fararanom-bary vakiambiaty, azoko ekana tsara mihitsy ny fampifanojona ny zavatra rehetra atao amin’ny toe-tany sy ny toetrandro misy ny Nosintsika. Noho izany indrindra ary no mahavelom-panontaniana ahy: raha fararano roa sosona, moa ve izany taombaovao roa sosona ?»