Fiarahamonina: Haverina ny « Dinan’i Melaky tsy mipoly »
Lanonana notarihan’ny Praiminisitra Ntsay Christian notronin’ireo minisitra maro tao Antsohihy ny « Tanamaro ho an’ny Fandriampahalemana ». Nasongadina tamin’izany ny famerenana sy fanatsarana ny « Dinan’i Melaky tsy mipoly », ary hatsangana ireo komity mpitantana eny ifotony izany hifanome tanana amin’ny rafi-panjakana.