Haharitra 10 andro ny fitsidihana hataon’i Mompera Arturo SOSA, Sj
Mitsidika ny provensy zezoita eto Madagasikara ny lehibe jeneralin’ny zezoita, Mompera Arturo SOSA SJ. Maharitra 10 andro ny fitsidihany ary mihafara amin’ny fivoriamben’ny JCAM (Jesuit Conference of Africa and Madagascar) izany fitsidiahana izany. Tetiandro.
Tonga eto Madagasikara i Mompera Arturo SOSA SJ, lehiben’ny Fikambanan’i Jesoa maneran-tany (Supérieur Général). Haharitra 10 andro ny diany eto amin’ny Nosy, ny 4 hatramin’ny 15 oktobra.
Ho feno dia feno ny fandaharam-potoanany amin’izao fahatongavany izao. Ny alarobia 5 oktobra izy no hihaona voalohany amin’ireo rahalahiny zezoita, ao amin’ny kolejy Masina Misely Amparibe. Hitso-drano ny trano vaovao najoro ho an’ny ankohonam-piainana ao amin’ity sekoly ity.
Ny alakamisy 6 oktobra izy dia hitsidika ny ankohonam-piainana sy sehatr’asa (sekoly sns) zeozita any Mananjary. Hihazo an’i Fianarantsoa izy ny tolakandro ary ao anatin’ny fandaharam-potoanany amin’izany ny fitsidihana ny any Maràna –toerana nipetrahan’ny marary hoditra sy nitsaboana azy ireo-, misy ny fasan’ny Olts Jean Beyzym.
Lamesa ao amin’ny Kolejy Md François-Xavier no hiarahany amin’ny fianakaviambe zezoita (pretra, relijiozy, lahika) ao Fianarantsoa, ny zoma 7 oktobra, maraina. Ny sabotsy 8 oktobra izy no hiala any ary hitodi-doha ho aty Antananarivo. Ho any amin’ny toerana fanaovana fivahinianana masina any Ambiatibe. Hanolotra Sorona Masina ao Faravoay ny antoandro, handalo ao Andriampamaky ihany koa.
Hitarika Lamesa ho an’ny Fianakviambe iniasianina sy ny mpiara-dia aminy rehetra, ao amin’ny kianjan’ny Kolejy Masina Misely ao Amparibe izy, ny alahady 9 oktobra manomboka amin’ny 9 ora maraina.
Amin’izao fahatongavany eto izao dia mandray ny Fivoriamben’ny JCAM (Jesuit Conference of Africa and Madagascar) ihany koa ny Provensy zezoitan’i Madagasikara. Koa hihaona sy hiaraka hivory amin’ireo lehibe provensialy rehetra manerana an’i Afrika i Mompera Arturo Sosa SJ, ny alatsinainy 10 sy talata 11 oktobra.
Ao anaty fandaharam-potoanany ihany koa ny fihaonana amin’ireo arseveka sy eveka amin’ireo diosezy telo izay holalovany (Antananarivo sy Fianarantsoa ary Mananjary).
Ny Sahan’asa sy Ankohonam-piainana amin’ny toerana handalovany dia handray azy. Etsy andanin’izany dia hihaona amin’ireo mpiara-miasa (relijiozy sy lahika) ao Fianarantsoa sy Antananarivo i Mompera Arturo Sosa.
Tonga soa ianao Mompera lehibe jeneraly !
(tetiandro nalaina tao amin’ny Gazety Lakroan’i Madagasikara, laharana 4240, alahady 9 oktobra 2022)
(source: lakroa.mg)
Araho ao amin’ireto rohy ireto ny vaovao
